PolitikaSongadim-baovao

FIATREHANA NY FIFIDIANANA : Mitohy hatrany ny fifampiresahana amin’ny mpiara-miombona antoka

Taorian’ny namoahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny volavolana daty momba ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, mifandimby ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena manatona ny CENI amin’izay fiaraha-miasa rehetra azo atao mba handavorariana ny fifidianana rehetra ho avy.

Araka ny efa nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Radio France Internationle (RFI), herinandro vitsy lasa izay, dia mitohy hatrany ny fifampiresahana eo amin’ireo mpiara-miombona antoka sy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), miaraka amin’ny Fitondram-panjakana malagasy, mahakasika ny fiatrehana ny fifidianana. Tsy mitombina, araka izany, ny feo miely fa efa manda ny tsy hanohana ny fifidianana eto amintsika ireo mpamatsy vola. Ary mbola nandiso izany rahateo ny efa fisian’ireo mpiara-miombona antoka manohana ny aty alohan’ny fifidianana ao anatin’ny “Peace Building Fund”.

Omaly, ny Masoivohon’I Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Pierangelo Claire A indray no noraisin’ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo teny amin’ny biraony teny Alarobia. Voalohany teo amin’ny roa tonta ity fihaonana ara-pomba fanajana ity. Anisan’ny nibahan-toerana tao anatin’ny fifanakalozana ny mikasika ny fikarakarana ny fifidianana ho avy ary koa ny firosoan’ny asa mifandraika amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.

Taorian’ny fihaonana, nanambara Ramatoa Pierangelo Claire A. fa “mankasitraka ny fijoroana sy ny finiavan’ny Ceni amin’ny fanatrehana ireo fanamby maro samihafa amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Eo ihany koa ny ezaka sy ny risi-po ny amin’ny hananana fifidianana mirindra tsara”. Araka ny fanazavana hatrany, mbola hitohy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta izay hiompana bebe kokoa amin’ny fanabeazana ny olompirenena ara-pifidianana. “Efa zava-dehibe ny ezaka ataon’I Governemanta amerikana ny amin’ny fanabeazana ny olompirenena ankehitriny”, araka ny nambaran’I Filohan’ny Ceni.

Fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Ceni ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ary efa mihoatra ny 10 tapitrisa ireo olompirenena izay voasoratra anarana anatin’ny lisitry ny mpifidy ankehitriny. Mbola mitohy ihany koa ny fisoratana anarana eny anivon’ny Fokontany ho an’ireo rehetra izay mbola tsy anatin’ny lisitra, na mbola maro aza ireo olana sy ezaka tsy maintsy atao. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI, “misy ny olompirenena izay mihevitra fa rehefa voasoratra anarana tao anatin’ny lisitry ny mpifidy izy teo aloha dia tsy mila misoratra intsony izy mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Eo ihany koa ny fahamaroan’ny olona tsy manana kara-panondrom-pirenena. Mampirisika ny ezaka atao amin’ny fitsarana mitety vohitra ny CENI mba ahafahan’ny olompirenena mahazo kopiam-piankohonana izay ahafahana manao kara-panondrom-pirenena. Anisan’ny olana ihany koa ny fanadinoan’ireo mifindra monina misoratra anarana eny amin’ny Fokontany. Manavesatra ny asa ihany koa ny fandalovan’ireo rivo-doza nisesy teto amin’ny firenena”. Mbola fanamby lehibe tsy maintsy itadiavana vahaolana ireo olana samihafa ireo mba hahafahan’ny olompirenena tsirairay misitraka ny zony amin’ny fifidianana.

 

Fermer