Songadim-baovao

FIATREHANA NY LALAON’NY NOSY : « Mila mandresy isika ary tsy maintsy voalohany i Madagasikara », hoy ny Filoha Rajoelina

Nahazo fampitaovana ilaina amin’ny fanazarantena sy fifaninanana rehetra, omaly ny taranjam-panatanjahantena efatra, tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Firenena malagasy amin’ny Firenena sinoa no nahazoana izany, izay nanaovana ny lanonam-panolorana. Nasongadin’ny Filoha Andry Rajoelina, fa mila mandresy isika ary tsy maintsy voalohany i Madagasikara amin’io lalaon’ny Nosy andiany faha-11 io…

Tonga nanolotra ny fitaovana ho an’ireo atleta ny Filoha Andry Rajoelina.

Notoloran’ny Fitondram-panjakana fampitaovana ilaina amin’ny fanazarantena sy fifaninanana rehetra, omaly ny taranjam-panatanjahantena efatra, tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Firenena malagasy amin’ny Firenena sinoa no nahazoana izany, izay  nanaovana ny lanonam-panolorana. Ny taranja atletisma, fibatana fonjamby, tenisy ambony latabatra ary ny badminton no nisitraka izany. Nasongadin’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny fa herinandro lasa izay, no nihaonako taminareo mpanao fanatanjahantena, teny Iavoloha. Nifampitafa isika, nifanakalo hevitra ny amin’ny fomba hanampiana sy hanohanana ireo atleta hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Dia ireto isika  manolotra ireto fitaovana ireto hanomanana sy hoentina miatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena ho raisina eto amin’ny Nosintsika ity. « Ny firaisan-kina, ny firaisam-po, ny firaisan-tsaina ary ny fiaraha-mientana no entintsika mandresy.  Tohanantsika ireo tanorantsika. Tsy maintsy mandresy ny atleta malagasy, tsy maintsy mandresy i Madagasikara. Mila mandresy isika mba tsy hifamitaka ary i Madagasikara dia tsy maintsy voalohany », hoy izy nanantitrantitra.

Fandefasana atleta niofana…

Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’i Madagasikara sy i Sina omaly, tetsy Mahamasina.

Nikarohana paikady ahafaha-manampy ny atleta amin’ny fanomanana ity andian’ny faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto amintsika ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra 2023 ity. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa « matoky anareo atleta izahay matoa manampy ary fantatray fa handresy ianareo ».  Ao anatin’ny fanomanana ny fandefasana atleta miisa 51 any Sina koa ny tomponandraikitra amin’izao.  Hanampy ireo atleta amin’ny fanomanan-tena ireto fitaovana ireto. “Tsy afaka mampitombo ny herijikanay izahay noho ny faharatsian’ny kianja ao Alarobia. Vao manao fanazarantena mafimafy dia marary ny vatana indrindra ny tongotra. Efa nahazo ny kianja Barea sy ireto fitaovana vaovao ireto izahay, izay afaka hanampy anay amin’ny fampiakarana ny traikefa. Ambony, araka izany, ny tokinainay ato amin’ny taranja fototra atletisma”, hoy ny solontenan’ny taranja fototra atletisma, Rasoazanany Solange.  51 no medaly hiadivana ao amin’ity taranja ity, raha ny fanazavana. Ao anatin’izay fanomanana, ho avy eto Madagasikara ny Vaomiera Iraisam-pirenena misahana ny Lalao, ny 16 mey izao, hanatanteraka fivoriana andiany faharoa, ao anatin’ny fanomanana ny lalao. Ny 18 ka hatramin’ny 21 mey 2023 no hanatotonsana ny fivorian’ny Vaomiera iraisampirenena misahana ny lalao. Anisan’ny anton-diany ny hijery ny fanatanterahana ny toromarika natao tamin’ny diany voalohany, ny volana desambra lasa teo.

Fermer