Songadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY MAINTANY: Fiarabe 18 hanampy ny famatsian-drano eto Antananarivo

Efa ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny fotodrafitrasa momba ny rano eto Antananarivo ny Fanjakana ankehitriny, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana (MEAH). Mazava ho azy, rehefa fanavaozana tanteraka no atao, dia tsy maintsy misy ny fanelingelenana samihafa amin’ny fisitrahana ny tolotra. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana, Andriamatoa Lalaina Andrianamelasoa, mantsy dia fantsona mirefy 60 km mahery no hohavaozina tanteraka eto Antananarivo. Isika ihany koa, etsy ankilany, hiditra amin’ny vanimpotoan’ny maintany. Tsy maintsy sorohina mialoha avokoa, araka izany, izay mety ho fahasahiranana rehetra ahina hisy  manodidina ny famatsian-drano. Noho izany indrindra no nahatonga ny fanolorana fiarabe mpitatitra rano miisa 18 natao omaly tetsy Andranomena, izay hanampy amin’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra, izay avy amin’ny tetikasa PAAEP (Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable).

Tsy mataho-dalana

Marihina fa mitondra ny marika Forland ireto fiarabe ireto. Ny mampiavaka azy dia noho izy 4×4, na tsy mataho-dalana, ka afaka mandeha mitatitra rano any amin’ireo toerana saro-dalana. Mahazaka rano hatrany amin’ny 10 000 litatra, ary afaka mizara rano mivantana avy hatrany ankoatra ny famenoana siniben-drano. Mbola nampiarahana amin’ny fitaovana maro samihafa ireto fiarabe ireto toy ny “moto pompe” sy ny fitaovana fanapariahana rano.

Ny tetikasa PAAEP moa dia tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ary tantanin’ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Misahana an’Antananarivo sy tanàn-dehibe enina ity tetikasa, dia Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa, Manakara, ary Mananjary. Mikendry ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina rehetra mba hisian’ny fitovian-jo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer