Vaky Bantsilana

Fiatrehana vaovao voasedran’ny valanaretina… !

Na eo tokoa aza ny ady atao amin’ny valanaretina covid-19, izay mbola ifarimbonana hatramin’izao ity, tsy azo atao ny milofika fa mbola dezaka ny lalana miandry, dia ny lalan’ny fampandrosoana izany. Fampandrosoana maharitra no katsahin’ny fitondram-panjakana amin’izao io, satria ny hanarina ity firenena efa tafahitsoka tao anatin’ny lavaka lalina, no tanjona. Tsy hoe « soa kenda hahay hitsako… », fa azo hitarafana ny tena fampandrosoana tiana hapetraka eto, ireny ezaka maro samy hafa nentin’ny fikirizan’ny mpitondra, handresena io valanaretina io, eto. Efa madiva hifarana ny ady noho ny ezaka nifarimbonana sy tsy nitarainan-tana-miempaka. Maro no tsy mandry andro aman’alina nitady vahaolana marina, nahafahana niatrika io fahavalo efa madiva ho resy io, ka nahatongavana amin’izao zava-misy ankehitriny izao, raha atao jery todika kely ny antontanisa. Toeram-pitsaboana maro nandray marary analina, fitaovam-pitsaboana tsy toko tsy forohana namatsiana azy ireny, sy naparitaka eran’ny faritra efa nisy ny valanaretina. Ivon-toeram-pitiliana maro samihafa nentina nitily sy nitadiavana izay efa nifanerasera tamin’ireo narary, sy ny sisa maro… Ireny rehetra ireny dia hahafahana milaza fa olon’ny fikaroham-bahaolana ny mpitondra ankehitriny, ary hita taratra avy amin’izany ny fampandrosoana izay mbola miandry azy lohany…

« Tsinay tsy mba vatsy », kibo voky no mampandroso ! Fa raha tsy mahatsapa fahalalahana ny vahoaka, tsy azo lazaina ho mandroso ny firenena. Fahalalahana amin’ny lafiny rehetra no tian-kambara eto, satria eo ny fangejana ara-tsaina, ara-batana, ara-toe-karena sy ara-tsosialy, ary ara-pifandraisana sy ny adilahy politika. Eny, ara-panahy koa angamba… Nolazoin’ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, tao anatin’ny fiatrehana io valanaretina io, raha efa miarin-doha tsikelikely amin’izao fotoana. Misy aza milaza hoe « tsy mbola nisy krizy tahak’ity teto amintsika »,… Raha noana tokoa ny kibo, mivezivezy ny fanahy. Tsy nianona amin’ny fomba handresena io valanaretina io fotsiny amin’izao ny fitondram-panjakana, fa nihevitra izay entina hanarenana ny fahavoazana rehetra nisy, hatramin’ny niantombohan’ny ady. Nahazo ny anjarany avokoa angamba, ireo rehetra nanam-bava nitaraina, eny hatramin’ireo niangaran’ny vintana. Teo ireo orinasa vaventy sy salan-tsalany, hatramin’ny orinasa madinika rehetra. Fa teo koa ireo mpandraharaha samy hafa, misehatra sy andry iankinan’ny toe-karena malagasy. Teo ireo sokajin’olona samihafa, hatramin’ny madinika indrindra sy izay nilaza fa marefo noho ny afitsoky ny covid-19, mbamin’ireo mpiasa tsy miankina rehetra, sy izay tsy voatanisa dia tsy nisy navahana fa toy ny “molo-bilany” avokoa. Tsy nisy na iray aza, niangarana, tsy nisy natao “zanak’ikala hafa” fa samy nandramby avokoa. Mbola mitohy hatramin’izao ny fitsinjarana “Vatsy tsinjo”, “Tsinjo fameno” ka ho tanteraka eto tokoa anie ilay hoe “Iray vatsy iray aina”, “Malagasy Ray, Malagasy Reny” mifampijery sy mifampitsinjo.

Samy nibata izay tandrify azy avy ireo nahatsapa niharam-pahavoazana, inoana koa fa mba nahazo ny anjarany ireo “mpiasam-bahoaka”, na dia navahana tao anatin’ny maro aza, tamin’ity indray mitoraka ity. Saingy tsy banga fihinanana kosa fa nisitraka hatrany ny tandrify azy. “Mamboly voky tsy mamboly voky”, hoy ny firehaky ny sasany. Efa izay ny adidy, ny lasa homba ny lasa, ho lasa an’izay ny ratsy rehetra. Rafampandrosoana iry mbola miandry ka aoka samy handroso, homban’ny hafenoan’olombelona fa mbola lavitra ny tanjona. Ny androany tokoa taratry ny ampitso, ka alao hery. Fijery vaovao, angovo vaovao, ary fiatrehana vaovao efa voasedran’ny valanaretina no aoka hitoetra manomboka eo. Na eo aza ny fomba fanaon’ireo mpanohitra, izay efa fantatra fa hanohy ny fanao tsy mahomby, tsy hampihemotra ny lamasinina haingam-pandeha efa mizotra amin’ny lalan’ny fampandrosoana izany…

Fermer