PolitikaSongadim-baovao

FIDINANA ANDALAM-BE: « Efa tsy mitovy hevitra ny samy mpanohitra », hoy ny Governoran’Analamanga

Raha ohatra ve ka mikorontana ny firenena rahampitso dia hidina ny vidim-bary rahafakampitso? Dia hidina koa ny vidin-tsolika sy ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny ?”. Io no fanontaniana napetraky ny Governoran’Analamanga, Hery Rasoamaromaka omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambohidahy. Ity tomponandraikitra ity izay manamafy fa ilaina ny fanoherana amin’ny maha tany demokratika an’I Madagasikara, saingy kosa ny fanakorontanana dia tsy azo ekena. Efa misy, hoy izy, amin’izao fotoana ny fifampiresahana eo amin’ny mpitondra Fanjakana sy ny mpanohitra. Fotoana izay nilazan’Atoa Governoran’Analamanga fa efa tsy mitovy hevitra avokoa ireo eo anivon’ny fanoherana ankehitriny. “Misy mpanohitra tsy resy lahatra hidina andalambe. Misy mpanohitra tsy manaiky ny filoha teo aloha ho lehiben’ny mpanohitra. Na ireo samy ao amin’ny RMDM aza misy tsy mitovy hevitra intsony”, hoy hatrany ny fanazavany. Anisany sakana goavana amin’ny tsy firosoan’ny fifampidinihana, noho izany, ny fidongin’ny mpanohitra sasany amin’ny fiaraha-mitantana. Ny fifampidinihana, hoy izy, tsy midika ho fiaraha-mitantana fa kosa entina hikaroham-bahaolana amin’ny olana misy eto amin’ny firenena.

Tsy tokony hatao sorona ny mpianatra

Teo anatrehan’izany, niantso fitoniana sy filaminana avy amin’ny tsirairay ity tomponandraikitra ity. Tsy vahaolana, hoy izy, ny mifandatsa-dra. “Miezaka ny mpanao politika haminganana ny Fitondrana Rajoelina ary misy manana tombontsoa mihitsy amin’ny fikorontanana”, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy tokony hampidirina amin’ny resaka politika intsony ny mpianatra sy ny vahoaka madinika. Tsy ekena, hoy izy, ny fanaovana sorona ny zanaka malagasy.

Fermer