Fanadihadiana ManokanaSosialy

FIDIRANA AMIN’NY ROAVOLANA FAHATELO : Misokatra ny fisoratana anarana amin’ireo fanadinam-panjakana

Hanamarika ity roavolana fahatelo amin’ny taom-pianarana 2024-2025 ity ny fisokafan’ny fisoratana anarana ho fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC. Ato anatin’ity roavolana manaraka ity ihany koa no hanohizana ny famitàna ny fandaharam-pianarana ho an’ny ankamaroan’ireo kilasy. Ny 2/3-n’ny lesona rehetra mandritra ny taona no tokony ho vita hatramin’ny faran’ny volana febroary 2025.

06 janoary 2025! Anio no voafaritra ao anatin’ny tetiandrom-pampianarana 2024-2025 fa hanombohan’ny roavolana fahatelo indray eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, rehefa avy niatrika ny fialan-tsasatry ny noely teo anelanelan’ny 21 desambra 2024 hatramin’ny omaly 05 janoary 2025. Raha tsiahivina, nozaraina ho roavolana miisa 5 ny taom-pianarana iray ka teo anelanelan’ny 09 septambra hatramin’ny 25 oktobra 2024 ny roavolana voalohany. Roavolana faharoa ny teo anelanelan’ny 04 novambra hatramin’ny 20 desambra 2024. Ao anatin’ny roavolana fahatelo isika izao izay hifarana amin’ny 21 febroary 2025. Ny 03 martsa hatramin’ny 11 aprily ny roavolana fahefatra. Ary ny 28 mey hatramin’ny 20 jona 2025 ny roa volana fahadimy farany.
Manomboka amin’ity roavolana fahatelo ity, fitsaharana vitsivitsy sisa no hositrahan’ireo mpianatra. Hisy ny fitsaharana fohy hatao eo anelanelan’ny 22 febroary sy 02 martsa 2025, ary ny eo anelanelan’ny 12 sy ny 27 aprily 2025. Tsy hadinoina ny fanamarihana ny fetin’ny sekoly hatao mandritra ny 3 andro: ny 19, 20 ary ny 21 febroary 2025. Manomboka ny 21 jona 2025 kosa ny fialan-tsasatra lehibe ho an’ny taom-pianarana 2024-2025.
Hanamarika ity roavolana fahatelo ity moa ny fihomanana amin’ny fiatrehana ireo fanadinam-panjakana. Misokatra amin’ity volana janoary ity ny fisoratana anarana hiatrehana ny fanadinana CEPE (Certificat d’Etudes Primaires Elémentaires) sy BEPC (Brevet d’Etudes du Premier Cycle). Tsara ny manamarika fa hotanterahana ny talata 17 jona 2025 ny fanadinana CEPE amin’ity taona ity. Misokatra manomboka anio hatramin’ny 28 febroary ny fisoratana anarana amin’izany. Hatao ny 30 jona hatramin’ny 03 jolay 2025 kosa ny fanadinana BEPC. Eo anelanelan’ny 13 janoary hatramin’ny 07 martsa 2025 ny fisoratana anarana. Mbola andrasana ny famaritana ny daty ho an’ny fanadinana bakalorea izay ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa no miandraikitra izany.
Hifantoka amin’ny famitàna ny fandaharam-pianarana
Ankoatra io fisokafan’ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana io dia mampiavaka ity roavolana fahatelo ity ihany koa ny hoe izy no manamarika ny fisasahan’ny taom-pianarana. Ao anatin’ny fotoana hiazakazahana ao anatin’ny famitàna ireo fandaharam-pianarana ny any an-tsekoly, araka izany. Raha tsiahivina, nifantoka kokoa tamin’ny fanaovana famerenana ny roavolana voalohany. Nanombohana ny tena fandaharam-pianarana ny roavolana faharoa, ary mbola mitohy hatramin’ity roavolana fahatelo ity izany. Raha ny fanazavan’i Mirana mpampianatra amina sekoly tsy miankina iray, nahitany ny tena fahaizan’ireo ankizy ampianariny tsirairay avy izay roa volana vita izay. Nandritra izany ihany koa no namaritany ny fomba fampitàna ny fahaizana metimety kokoa amin’ireo mpianany ireo, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany, ny 2/3-n’ny fandaharam-pianarana no tokony ho vitan’izy ireo mandritra ity roavolana fahatelo ity. “Na izany aza tsy hirotorotoana fa miankina amin’ny fahaiza-mandrain’ny ankizy ihany no hanenjehana ny fandaharam-pianarana”, hoy hatrany i Mirana mpampianatra. Notsindriany fa manomboka miditra amin’ireo lesona sarotsarotra izy ireo ka mety handaniana fotoana kokoa ny fanarahana ireo mpianatra tsirairay. Fehiny, miankina amin’ny hafainganam-pandehin’ireo mpianatra no hahafahana manatratra io tanjona amin’ny fahavitan’ny fandaharam-pianarana io.

Mitohy ny ezaka ho an’ny taona 2025
Amin’ny fiandohan’ny taona toy izao dia fotoana fanaovana tombana ny zava-bita sy hamaritana ireo fanatsarana sy tetikasa ho tanterahana indray mandritra ny taona ho avy. Eo amin’io lafiny fanabeazana io indrindra, nanambara ny Unicef tamin’ny faran’ny taona teo fa mbola ny 30%-n’ireo ankizy eo anelanelan’ny 3 hatramin’ny 5 taona ihany hatreto no mianatra any amin’ny ambaratonga fototra eto Madagasikara. Mbola ambany io antonisa io ka tokony hiroso amin’ireo tetikasa fanarenana, hoy ny fanazavana. Hahafahana manatsara io zava-misy io ny fanorenana sekoly misy ireo fitaovana ilaina rehetra, ny fametrahana fotodrafitrasa ara-pahasalamanna mifanaraka amin’ny filàn’ny ankizy, ary ny fampiofanana ireo mpampianatra mba hahafahany mampita fampianarana tsara kalitao. Tsy andraikitry ny Fitondram-panjakana na ireo vondrona iraisam-pirenena ihany anefa io fanatsarana ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara io. Manana ny anjara birikiny ao anatin’izany ihany koa ireo sehatra tsy miankina sy mpiara-miombona antoka rehetra. Ho an’ny UWS (United World Schools) izay manohana ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara moa, nambaran’izy ireo fa maro ireo fanamby notanterahana tamin’ity taona ity, ary tsara hatrany ny vokatra. Isan’izany ny nahafahan’izy ireo nanome fanabeazana tsara kalitao ho an’ankizy miisa 8 496. Mpampianatra miisa 195 no notohanana akaiky sy nomena fiofanana. Niaraka tamin’ireo ny fanomezana tambin-karama mpampianatra miisa 165. Sekoly 5 no vita fanarenana tanteraka ary sekoly sy efitranon-tsekoly miisa 12 no natsangana. Niaraka tamin’ireo moa ny fampisitrahana toeram-pivoahana miisa 09 sy toeram-pidiovana 08. Farany ny fananganana toeram-pilalaovana miisa 11.
Miainga avy amin’ireo zava-misy ireo, mitohy hatrany ho an’ity taona 2025 ity ny fampiharana ireo ezaka ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana. Tanjona ny hahafahan’ireo ankizy rehetra, amin’ny taonan’ny tokony hianatra, hiditra an-tsekoly avokoa, miaraka amin’ny fotodrafitrasa ampy sy sahaza azy ireo.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer