Fanadihadiana ManokanaSosialy
FIFAMOIVOIZANA MANDRITRA NY FETY: Hamafisina ireo fepetra fisorohana ny loza sy fanaraha-maso
Mitombo kokoa ny fifamoivoizana rehefa ao anatin’ny vanim-potoan’ny fety. Noho izany indrindra no hanamafisana ireo fepetra fisorohana ny loza sy fanaraha-maso eny amin’ireo tobim-piantsonana, mba hanatrarana ny tanjona tsy hisy olona matin’ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe mandritra ny fanamarihana ny fety.
21 desambra 2024 hatramin’ny 05 janoary 2025, daty voafaritra ho an’ny fotoam-pialan-tsasatry ny noely 2024. Midika izany fa mitombo kokoa ny fifamoivoizana amin’io vaninandro fety io, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra. Hitarafana izany ny fitohanana hita amina toerana maro eto Antananarivo, tato anatin’ny andro maromaro izao. Tsy eto an-drenivohitra ihany anefa, hahatsapana io fitombon’ny fivezivezena amin’ny andro fialan-tsasatry ny fety io ihany koa ny any ambanivohitra sy ny eny amin’ireo lalam-pirenena. Rehefa mitombo ny fivezivezena dia mitombo manaraka izany ihany koa ireo risika amin’ny mety hitrangan’ny lozam-pifamoivoizana.
Tanjona napetraka, araka izany, ny mba tsy hisian’ny olona matin’ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe mandritra ny fanamarihana ny fetin’ny noely sy ny taom-baovao. Fahavalo sy ady iombonan’ny firenena manerana an’izao tontolo izao mantsy ny lozam-pifamoivoizana. Fantatra fa isaky ny 24 segondra dia misy olona iray matin’n lozam-pifamoivoizana maneran-tany. Mahatratra 1,35 tapitrisa, noho izany, ny isan’ireo olona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny lozam-pifamoivoizana no antony voalohany mahafaty ireo ankizy 5 hatramin’ny 14 taona sy ireo tanora 15 hatramin’ny 29 taona. Ny 54%-n’ireo olona matin’ny lozam-pifamoivoizana dia mpandeha tongotra na mpampiasa kodiarandroa avokoa. Aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, mamono ny 13%-n’ny olona ny 1%-n’ireo fiara, raha to aka ny 40%-n’ireo fiara no mamono ny 7%-n’ny olona any amin’ny tany mandroso, araka ny tatitry ny Vondrona Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS).
Ireo fepetra hihatra eny an-kianja
Ho fanatrarana ny tanjona fetin’ny noely sy faran’ny taona ary taom-baovao ieren-doza dia entanina ireo mpamily sy mpampiasa lalana rehetra mba samy ho tompon’andraikitra. Vina hapetraka ny “Mba ho fifamoivoizana azo antoka mandritra ny fety”. Manoloana izany dia mizara sokajy maromaro ireo fepetra ampiharina eny an-kianja, izay mitsinjara toy izao:
1-Fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana:
-Fanamafisana ireo fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin’ny haino aman-jery, tambazotra sosialy ary eny an-kianja.
-Fanentanana ireo mpampiasa lalana rehetra mba ho tompon’andraikitra rehefa mampiasa lalana.
2-Fanamafisana fanaraha-maso:
-Eny amin’ny tobim-piantsonana, ny fijanonan’ny taxibe, ny fivoahana ny lalam-pirenena.
-Fampiasana fitaovana fanaraha-maso vaovao: fitiliana ny tahan’ny alikaola ao anatin’ny vatan’ny mpamily, ny hafainganam-pandehan’ny fiara, ny vesatra hoentin’ny fiara.
3-Polisin’ny Fitaterana an-dalambe:
-Hanamafy ny ady amin’ny kolikoly, fanabeazana ny mpampiasa lalana, fanasaziana raha misy fandikan-dalàna mibaribary, fanampiana raha sendra ka misy loza mitranga.
4-Fiandrasan-draharaha:
-Fanamboarana ny ora fiasan’ny ATT (Antokon-draharahana misahana ny Fifamoivoizana an-tanety) fa missy mpiandry raharaha isaky ny sabotsy maraina mba hahafahan’ny mpitatitra mikarakara taratasy.
-Fisian’ny toerana manokana izay handrindrana ny asa eo anivon’ny ATT, miasa 24/24 ora, 7/7 andro ary azo antsoina amin’ny laharana 034 12 680 09.
Eo amin’ny lafiny fanamafisana fanaraha-maso, nanazava ny tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) ny Jeneraly Reribake Jeannot fa asa hiandraiketan’izy ireo mandritra izao maha betsaka ny fifamoivoizana izao ny fitsirihana ireo fiara mialoha ny hiaingany. Tobim-piantsonana roa no efa nanatanterahana izany hatreny, ny eny Andohatapenaka sy ny any Mahajanga, ary mbola ampiharina amin’ireo tobim-piantsonana hafa manerana ny Nosy izany. Azo atao 24 ora mialoha ny fiaingana io fitsirihana io, hoy ny fanazavana, mba tsy hiterana fanelingelenana eo am-pandehanana. Noho izany dia fiara tsy misy mpandeha sy entana no atao fitsirihana. Ho an’ireo fiara manao zotra nasionaly, manan-kery amin’ny lalany mandroso sy miverina ny marika maha ara-dalàna azy azony taorian’ny fitsirihana. Ho an’ireo manao zotra rezionaly kosa, atao in-droa isan-kerinandro io fitsirihana io. Tsara ny manamarika fa maimaimpoana avokoa ny fitsirihana rehetra atao ao anatin’izany. Jerena mandritra izany ny toetoetran’ny fiara, raha mbola tokony hitatitra olona sy entana natsia. Eo ihany koa ny fijerenan’ny fahatomombanan’ireo fitaovan’ny fiara toy ny fitaratra, kodiarana, jiro, hisatra, ny familiana sy ireo maro hafa.
“Ethylotest” 500 sy “Radar de détection de vitesse” 80
Vokatry ny fiaraha-miasa sy tantsorola ara-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena moa dia nisitraka fitaovana vaovao hoenti-misoroka ny lozam-pifamoivoizana ireo mpisehatra eny an-kianja. Miisa 500, araka izany, ireo «Ethylotest» na fitaovana fandrefesana tahan’ny alikaola any amin’ireo mpamily nisitrahantsika. Ny 80 amin’ireo no efa tonga ka nampahafantarina omaly. Mbola hisy kosa ny andiany manaraka ho an’ireo 420 ambiny. Ankoatra io, misy ihany koa ny fisitrahana “Radar de détection de vitesse” na fitaovana fitsirihana ny hafainganam-pandehan’ny fiara miisa 25. Hoampiasaina manerana ny Nosy ireo fitaovana vaovao ireo, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ATT Ratovohery Mirambololona. Mandritra izao fety izao sy amin’ny fitsirihana fataon’izy ireo andavanandro. Tsy hadinoina ny fahazoana “pèse essieux mobiles” na fitiliana ny vesatra hoentin’ny fiara miisa 25, ho avy amin’ity herinandro ity.
Tsara ny manamarika fa raha toa ka mihoatra ny tahan’ny alikaolona tokony ho izy no hita ao amin’ny vatan’ny mpamily iray rehefa hatao fitsirihana dia miala avy hatrany eo amin’ny familiana izy na mitady olona hafa hisolo ny toerany. Eo amin’ny hafainganam-pandehan’ny fiarakodia kosa, manodidina ny 40km/h ny fetra tokony ho izy rehefa miditra tanàna, ary manodidina ny 75km/h rehefa ivelan’ny tanàna. Ny fandehanana mihoatra ny hafainganam-pandehana izay voalazan’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana dia mety hitarika fisintonana ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




