PolitikaSongadim-baovao
FIFANANKALOZANA ARA-DIPLOMATIKA : Tafaverina eto Madagasikara ireo Volamena 49kg tao Kaomoro
Tafaverina ofisialy eto Madagasikara omaly zoma 14 Marsa ireo bolongam-bolamena miisa 28 ( 49,5 kg) naondrana an-tsokosoko, tra-tehaka tany Kaomoro tamin'ny volana desambra 2021. Efa miverina amin'ny laoniny ny fifandraisana eo amin'i Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro raha toa ka somary narisarisa izany nandritra ny fotoana lavalava.
Nisy ny fanambarana nitambarana nataon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy sy kaomoriana omaly nilaza ny fampodiana eto Madagaasikara ireo bolongam-bolamena miisa 28 sarona tao amin’ny Seranam-piaramanidina Prince Said Ibrahim tao Kaomoro ny volana desambra 2021, izay nilanja 49kg.
Ny fanarahana ireo dingana ara-pitsarana samihafa sy ny fifanankalozana ara-diplomatika mafy orina eo amin’ny firenena roa tonta no nahatonga ny Fanjakana malagasy sy kaomoriana nifanaraka ny hampody ireo volamena ireo eto an-tanindrazana omaly, raha ny fanambarana niombonana nataon’izy ireo. Voambara tao anatin’ny fampitam-baovao iombonan’i Madagasikara sy Kaomoro hatrany fa izao fampodiana an-tanindrazana ireo volamena ireo izao dia mariky ny firahalahiana sy ny fifandraisana akaiky eo amin’ireto firenena nosy mpifanila vodirindrina ireto. Manamafy ihany koa io fifanarahana io ny finiavan’ny roa tonta hiady amin’ny trangana trafika toy ireny.
Izao dingana nirosoana izao dia manaja tanteraka ny fiandrianan’ny firenena tsirairay, ary manaja ihany koa ireo fitsipika sy lalàna iraisampirenena manan-kery. Notsindrian’ny fanambarana iombonana fa manaporofo ny fahamatoran’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta izao fanapahan-kevitra izao.



