PolitikaSongadim-baovao

FIFANARAHANA IRAISAMPIRENENA (CNUCC) : Tafapetraka avokoa ireo Rafitra iadiana amin’ny Kolikoly ho an’i Madagasikara

Isan’ireo firenena nanao sonia ny fifanarahan’ny Firenena mikambana momba ny ady amin’ny Kolikoly i Madagasikara, ny taona 2003 i Madagasikara. 190 ireo firenena nanao sonia io fifanarahana io, ary samy namolavola ny paikadiny avy nifanaraka tamin’izany. Ho an’i Madagasikara manokana, nisy ny ezaka natao ho fanajana hatrany ny voalazan’ny CNUCC tamin’ireo paikady rehetra iadiana amin’ny kolikoly eto amintsika. Isan’izany ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly izay efa tafapetraka daholo amin’izao fotoana. Voalohany amin’izany ny Komity Mitandro ny fahitsiana (CSI) izay rafitra manao tombana sy mamolavola ny paikady Stratejika enti-miady amin’ny Kolikoly. Eo koa ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco) izay misahana ny fanabeazana sy fisorohana ary fanadihadiana mombana raharaha Kolikoly. Rafitra fahatelo napetraka koa ny Sampandraharaha miady amin’ny famotsiambola sy ny famatsiambola ny asa fampihorohoroana (Samifin) . Tetsy ankilany, dingana efa nirosoan’i Madagasikara ny fametrahana ny Tendrom-pitsarana manokana iadiana amin’ny Kolikoly (PAC). Ary farany teo dia ny Antokon-drahadraha misahana famerenana ireo Harena azo avy amin’ny Kolikoly (ARAI) no tafapetraka. Ity farany izay nanomboka niasa tato anatin’ny herintaona mahery izay, ary efa nahazo vokatra tamin’ny fanagiazana ireo Kaonty any amin’ny banky manodidina ny 500, vola maherin’ny 6,2 miliara Ariary, ary fiara maherin’ny 200.

Araka ny angom-baovao, nanaraka ny lasitra voalaza ao amin’ny CNUCC daholo fametrahana an’ireo rafitra ireo. Azo ambara ho nihisatra ihany anefa ny nametrahana izany, raha ny elanelam-potoana no jerena. Toy izany koa ny fametrahana ireo lalàna samihafa mifandraika amin’ny ady amin’ny kolikoly. Etsy ankilany, misy ny tombana atao amin’ny fanatanterahan’ny firenena tsirairay izay voaraikitra ao amin’ny CNUCC. Taorian’ny tombana natao ny taona 2014 dia nisy ny fametrahana ny paikady nasionaly iadiana amin’ny Kolikoly ho an’ny taona 2015-2025. Isan’ny lehibe indrindra ao anatin’io ny fanaovan-dalàna sy ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly. Tsy nisy koa ny fanaovana tombana nandritra ny vanim-potoan’ny Covid-19, ka nitarina hatramin’ny faran’ny taona 2024, na 2015 mihitsy ary, ny fampiharana ny paikady.

Fermer