PolitikaSongadim-baovao

FIFANARATSIANA ANATY “FACEBOOK”: “Fanolanana ny hevitry ny atao hoe Demokrasia”

Fanaratsiana olona sy fanopana Mpitondra no anisany zavatra tena misongadina ao anaty tambajotran-tserasera eto amintsika amin’izao fotoana, indrindra ny “Facebook”. Mampametra-panontaniana ny amin’ny hoe tena izany tokoa ve ny tokony hampiasana azy ireny eo anivon’ny fiarahamonina? Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika izany ny Depiote Rafenomanantsoa Aina, ny herinandro teo, izay nanambara fa fanolanana ny atao hoe Demokrasia ny endrika fanosoram-potaka sy fanaratsiana olona any anatin’ireny tambajotran-tserasera ireny ankehitriny.

Tany mandala ny Demokrasia ny Firenena malagasy. Malalaka ny fanehoan-kevitra, ary maro ireo lalàna sy andinin-dalàna miantoka izany eto amintsika, raha tsy hilaza afatsy ny lalàna lf 2020-006 mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery. Zo fototra ny olona tsirairay ihany koa ny fahalalahana maneho hevitra, ary na ny andininy faha 10 ao amin’ny Lalàmpanorenana malagasy aza, dia manambara fa “Ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny fahalalahana eo amin’ny
fifandraisana, ny fahalalahana manao gazety, ny fahalalahana hiditra aminà fikambanana na
hanorina fikambanana, ny fahalalahana hivory malalaka, ny fahalalahana mivezivezy, ny
fahalalahana amin’ny fieritreretana sy amin’ny finoana dia samy iantohana ho an’ny rehetra
ary tsy azo ferana raha tsy hoe ho fanajana ny fahalalahana sy ny zon’ny hafa sy noho ny
fahaterena hiaro ny filaminam-bahoaka, ny fahamendrehan’ny firenena ary ny filaminan’ny
Fanjakàna
”. Sehatra fanehoan-kevitra vaovao miha mahazo vahana ankehitriny ny tambajotran-tserasera sosialy, indrindra ny “Facebook”. Anatin’izany, malalaka amin’ny fanehoan-keviny ny tsirairay saingy kosa, maro amin’ny mpanao politika sy ny olon-tsotra no manararaotra izany, ary mihevitra fa ny fampiasana ny facebook  dia natao hanehoana hevitra izay  tiana atao  ka zary lasa  fifanaratsiana sy faniratsirana no betsaka. “Fanolanana ny Demokrasia ny fanaovana zavatra tahaka izany”, hoy ny Depiote Rafenomanantsoa Aina, na ny Depiote Anyah, raha naneho ny fahitany ireo fanosoram-potaka Mpitondra Fanjakana sy olon-tsotra ao amin’ny Facebook. Aminy, ilaina ny fanehoana ny hevitra fa kosa tokony hatao ao anatin’ny fifanajana. “Tsy natao hanosoram-potaka na hanaratsiana ny hafa ny ampiasana ny tambajotra, fa natao kosa hampandrosoana sy hanabeazana ny rehetra”, hoy izy. Ilaina, hoy hatrany ity Solombavambahoaka ity, ny hifehezana  ny fampiasana azy mba tsy hanimba ny fiarahamonina.

Fanamafisana ny lalàna mifehy

Tsara ho fantatra fa efa misy ny lalàna mifehy ny fampiasana tambajotran-tserasera eto amintsika na ny resaka “Cybercriminalité”. Ny fanamafisana ny fampiharana azy io no ilaina, araka ny fanehoan-kevitry ny Solombavambahoaka Anyah. Izany no atao, hoy ny fanazavany, dia mba hahafahana mifehy ireo olona izay  manakorontana ny saim-bahoaka,  indrindra amin’ny famoahana ireny vaovao tsy marina ireny.  Nohamafisiny fa na misy aza ny lalàna dia tokony samy hahay handanjalanja ny rehetra, indrindra eo amin’ny fanehoan-kevitra. Hatreto, tsy mbola misy fikasana hanao tolo-dalàna mahakasika ny fampiasana ny tambajotran-tserasera eto amintsika, na dia maro aza ireo mpisehatra no efa mangataka amin’ny fahefana mpanao lalàna ny amin’ny tokony hisian’izany.

Tsindry  ao anaty « Facebook »

Nasian’ny Solombavambahoaka Anyah resaka ihany koa ny mahakasika ny filazana fa miankina amin’ny tsindry ataon’ny Facebook ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fitondram-panjakana eto amintsika. Nambarany fa  mihaino ny tatitra izay ataon’ny  solombavambahoaka manoloana ireo olana misy eny anivon’ny Distrika  maro ny Fanjakana amin’ny fanatanterahana ireo asa rehetra tokony hataony, fa tsy miandry ny tsindry ao anatin’ny tambajotran-tserasera velively. Raha tsiahivina, samy efa naneho hevitra mahakasika izany ihany koa, na ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, na ny Mpitondra tenin’ny Governemanta sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nambaran’ny Praiminisitra tamin’izany, fa “Tsy kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena, ary ilàna fahamatorana tsara”. Betsaka loatra, hoy ny Lehiben’ny Governemanta, ny filalaovana ny hevitra ny olona any anatin’ireny tambajotran-tserasera ireny. Kanefa, tsy voatery ho marina daholo izay voalaza.

Celestin (Mpianatra asa) sy LR.

Fermer