PolitikaSongadim-baovao
FIFANDANJAN-KERY POLITIKA: Tsy mivadika amin’ny Filoha Rajoelina i Toliara
Fararanon-danonana ny tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fandalovan’ny Filoha Andry Rajoelina tany an-toerana, izay nitokana fotodrafitrasa maro. Voaporofo sy niaraha-nahita tamin’ireo hetsika rehetra notanterahina tany an-toerana fa mbola mametraka ny fitokisany amin’ny Filoha Rajoelina ny vahoakan’i Toliara izay vory lanona maro be hatrany.
Hita, ary voaporofo tamin’ireo hetsika rehetra nisy tao Toliara ny faran’ny herinandro teo, fa tsy miova fa ambony tahaka ny hatramin’izay ny fitiavan’ny vahoaka ny Filoha Andry Rajoelina ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana na voizin’ny mpanao politika sasany aza amin’izao fa fefin’i Siteny Randrianasoloniaiko ny faritanin’i Toliara. Maro tokoa mantsy raha ny resaka voizina sy ny fanaratsiana mahazo ny Filoha Rajoelina any amin’ny faritanin’i Toliara. Ary io solombavambahoaka izay niara-dalana tamin’ny Filoha ankehitriny io ihany koa no nivadika, ka manao izany fanaratsiana endrika izany. Nazava ny hafatry ny Filoha Rajoelina tao Toliara fa tsy misy fanaratsiana mandresy ny fitiavana izany. Ary porofoin’ny vahoakan’i Toliara izany tamin’ny fanehoam-pitiavana nataon’izy ireo nandritra ny faran’ny herinandro teo.
Tian’ny vahoakan’i Toliara ny Filoham-pirenena, ka na tany amin’ny toerana lavitra toa an’i Bevoay aza dia tsy nahalavi-tany ny vahoaka fa tonga tany an-toerana izy ireo hihaona amin’ny Filoha Rajoelina. Nanamarika manokana ny fifankatiavana sy fifamatorana tsy mivadika eo amin’ny Filoha Rajoelina sy ny vahoakan’i Toliara ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’i Toliara sy ny Filoha teo amin’ny cité poste. Toy ny tsy nisy olona intsony tany amin’ny trano fonenany fa vory lanonana teo amin’ny cite poste avokoa ny vahoakan’i Toliara.
Olom-boafidy maro an’isa
Nanamarika ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina tao Toliara ihany koa ny fiombonan’ireo olomboafidy tamin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, izay manohana ny Filoha Andry Rajoelina. « Maro an’isa » izy ireo satria 111 amin’ny 121 no manohana ny Filoham-pirenena, araka ny tarehimarika voaray. Niara-tonga nanotrona ny lanonana notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny “gymnase” izy rehetra ny sabotsy teo. Mariky ny fanohanan’izy ireo ny Filoha Rajoelina ny fitsanganan’izy ireo rehetra nanoloana ny Filoha mivady nandritra ny lahateny nataon’ny solontenan’izy ireo mangataka ny Filoha Andry Rajoelina hirotsaka hofidiana indray.
Ankoatra izay, mahazo ny fanohanan’ireo parlemantera ny Faritra Atsimo Andrefana ihany koa ny Filoha. Ireo parlemantera ireo izay samy tonga nanotrona ny Filoha tamin’ny lanonana ara-panjakana ny sabotsy teo. Naneho ny fanohanany ny Filoha Andry Rajoelina ny Solombavambahoaka Behaja Jean lany eo amin’ny distrikan’i Toliara I. Manohana ny Filoha Rajoelina ihany koa ny Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny faritra Atsimo Nicolas Rabemananjara sy ny loholona Tsiebo Mahaleo.
Fehiny, samy mbola miandrandra ny hanohizan’ny Filoha Andry Rajoelina ny dingana efa vita sy ny asa fampandrosoana any amin’ny faritanin’i Toliara ny vahoaka sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.




