Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FIFANDONANA AMIN’NY ELEFANTA: Efa any Abidjan avokoa ireo mpilalaon’i Barea
Omaly, efa saika tonga any Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao malagasy hiatrika ny lalao amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiakarana amin’ny CAN 2021. Taorian’ny fahatongavan’ireo mpilalao malagasy avy tao Paris, toan-dry Bôlida, Nina, Mathias ary ry Voavy Paulin sy ny namany. Tonga nihazo ireo namany tao Abidjan omaly koa i Carolus Andriamahitsinoro sy Dax Andriamirado. Romain Métanire sy Ibrahim Amada, sisa no any andrasana raha ny tatitry ny mpanazatra Nicolas Dupuis, omaly. Mpilalao roa ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ihany no fatatra fa tsy ho tonga any an-toerana hanatanteraka ny fifandonana amin’ny Elefanta, raha ny nambaran’ny mpanazatra. Ankoatra ny Kapiteny Abel Anicet Andrianantenanina izay tratran’ny covid-19 ary mihiboka amin’izao fotoana, anisany tsy ho afaka hanatrika ny lalao koa i Njiva Rakotomalala, noho ny hamehana ara-pahasalamana any amin’ny firenena misy azy. Marihina fa efa nanao ny fanazaratena ireo mpilalao efa tonga tany an-toerana omaly, ary anio no hitsapa voalohany ny kianja Alassane Ouattara izay hanatontosana ny lalao hifandrinana amin’ny Elefanta ny Alakamisy izao.




