Songadim-baovao
FIFANDONANA TAMIN’NY DAHALO : Zandary efatra namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro
Maizina mbola antoandro ny asan’ny Zandarimariam-pirenena, iny herinandro lasa iny. Zandary niisa efatra namoy ny ainy, vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo, tamin’ny faritra samy hafa…

Nahery vaika tato ho ato ny fampandriana fahalemana tao anatin’ny faritra maromaro eto amin’ny Firenena. Isan’ireo lasibatra sy amoizana aina mihitsy izany ho an’ireo zandary miaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Trangam-pifandonana miisa miisa telo ka nahafatesana zandary efatra no niseho nandritra iny herinandro lasa iny. Nisy ny hetsika nataon’ny Zandarimaria, mba hampitoniana sy hanafoanana ny tsy fandriampahalemana. Tao anatin’izany hetsika izany indrindra no nahalavo an’i GHC Ratovoson Boromé, raha nifanehatra tamin’ny andian-dahalo mitam-piandiana, ny andian-tafika misy azy, tao an-kijana Bemandrona, kaominina Marotsipoy, distrikan’ Anjozorobe, Faritra Analamanga, ny 13 novambra 2020. Notontosaina omaly maraina, tao amin’ny Tobin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena (CIRGN) Antananarivo, tetsy Ankadilalana, ny lanonana ara-miaramila fanaovam-beloma farany azy. Nisy, araka izany, ny fampiakarana azy ho eo amin’ny laharam-boninahitra Zandary Prinsipaly Kilasy faharoa na GP2C. Teo koa ny fanolorana azy ny mariboninahi-pirenena (à titre posthume). Fanolorana ny lelavola 10 tapitrisa Ar ho fanampiana ny vady aman-janany avy tamin’ny Fitondram-panjakana, ary ny famangiana ny fianakaviany.

Nasongadin’ny Talen’ny kabinetran’ny Seg, ny Jly Rakotoarison Anthony ny « fisaorana ho an’ny Fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoham-pirenena, noho ny fitsinjovana manokana ireo taranaka navelan’ireo zandary, izay lavo amperinasa ». Nampatsiahiviny koa ny ezaka ataon’ny Zandarimaria, mba ho fampirisihana sy fankaherezana ireo zandary, izay manatanteraka ny asa eny an-tsehatra, toy ny fanomezana ny « Prime de bravoure », ny « Bonification d’ancienneté en port de grade », ny « Lettre de félicitations », ny « Prise en charge intégrale de tous soins et hospitalisation », sy ny « Prime de risques », ary ny lelavola mitentina 10 tapitrisa ariary ho an’ny vady aman-janaky ny lavo.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny minisitra lefitra Misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Zasy Angelo, nisolo tena ny Fitondram-panjakana; ny Jly Rakotoarison Anthony, Talen’ny kabinetran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria; ny Jly Ratovoson, Kaomandin’ireo Sekoly, nisolo tena ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena; ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara, Kaomandin’ny CIRGN Antananarivo; notronin’ireo Manamboninahitra Jeneraly sy Manamboninahitra maro ary ireo Fikambanan’ny Vady Zandary eto Antananarivo.




