PolitikaSongadim-baovao
FIFANDRAISANA AMIN’I EMIRATS ARABES UNIS: Miroso ny dingana ara-diplomatika hametrahana Masoivoho malagasy any an-toerana
Mafy orina ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny Emirats Arabes Unis. Miroso ankehitriny ny dingana ara-diplomatika hametrahana ny masoivohon’ny firenena malagasy any an-toerana. Hisy ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta indrindra eo amin’ny lafiny varotra sy fampiasam-bola amin’ireo sehatra laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara.
Taorian’ny nandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Emirats Arabes Unis ny 12 ka hatramin’ny 14 febroary lasa teo, nandritra ny fihaonamben’ny Mpitondra Fanjakana maneran-tany, dia vahinin’ity firenena ity indray ny tenany, namonjy ny andiany faha -13 tamin’ny “Congrès sur l’investissement” (AIM), izay notanterahina any an-toerana. Mafy orina ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny Emirats Arabes Unis. Miroso ankehitriny ny dingana ara-diplomatika hametrahana ny masoivohon’ny firenena malagasy any an-toerana. Nisongadina izany nandritra ny fihaonan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny émirati, Sheikh Shakhboot Nahyan Al Nahyan. Efa in-efatra nihaona moa ny roa tonta talohan’izao ary nankasitrahan’ny Filoham-pirenena manokana ny fanohanan’ity tompon’andraikitra émirati ity an’i Madagasikara. Nifanindran-dalana tamin’io fivoriana io, no nanoloran’ny Filoham-pirenena malagasy amin’ny fomba ofisialy ny taratasy maneho ny finiavan’i Madagasikara hanokatra masoivoho ao Abu Dhabi, ho an’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any an-toerana, ny Sheik Shakboot Bin Zayed Al Nayan. Izao fanokafana masoivoho vaovao izao, dia porofon’ny fahatsaran’ny fifandraisan’ny tany roa tonta, hoy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
Hisy ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa (Accord de partenariat économique global – CEPA) hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta indrindra eo amin’ny lafiny varotra sy fampiasam-bola amin’ireo sehatra laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara.
Famokarana angovo azo havaozina
Nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny « Agence Internationale pour les Energies Renouvelables »(IRENA), Francesco La CAMERA ihany koa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny diany tany Abu Dhabi. Ny IRENA dia vondrona miorina ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Ny tanjony dia ny hanohana ireo firenena miroso amin’ny famokarana angovo madio. Noresahana nandritra izao fihaonana izao ny vinan’ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny fampiroboroboana ny famokarana angovo. Eo ihany koa ireo lalam-piaraha-miasa hahafahana manatanteraka ireo tetikasa hampitomboana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara indrindra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, ny rano sy ny rivotra. Noresahan’ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ny fidiran’i Madagasikara ho mpikambana feno eo anivon’ny IRENA.
Tsiahivina fa i Madagasikara no vahiny manakaja manokan’ity fivoriana tany Abu Dhabi ity.



