Songadim-baovao
FIFANDRAISAN’I MADAGASIKARA SY ETAZONIA : Noraisin’ny Filoha Joe Biden tao amin’ny « Maison Blanche » ny Filoha Rajoelina
Fotoan-dehibe nanan-danja ho an’ny Firenena malagasy sy ny fiarahamiasa amin’i Etazonia ny fihaonan’ny Filoha Andry Rajoelina, tami’ny Filoha amerikanina, Joe Biden, tao amin’ny « Maison Blanche », Washignton DC, omaly. Naneho ny faniriany i Etazonia, tamin’ny alalan’ny Filoha Joe Biden, ny hanohanana ireo Firenena afrikanina, anisan’izany i Madagasikara, amin’ny fanamafisana ny dingana demokratika…

Nihaona manokana tamin’ny Filoha amerikanina, Joe Biden, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, afakomaly, tao amin’ny Maison Blanche, Washington DC, mialoha ny fivorian’ireo Filoha sy mpitarika afrikanina izay hiatrika fifidianana. Naneho ny faniriany i Etazonia, amin’ny alalan’ny Filoha Joe Biden, ny hanohanana ireo firenena afrikanina, anisan’izany i Madagasikara, amin’ny fanamafisana ny dingana demokratika. “Tsy afaka miasa tsara ny demokrasia raha tsy misy ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny vahoaka, amin’ny alalan’ny fahazoana fanabeazana, tolotra ara-pahasalamana sy ny fitomboana ara-toekarena eo amin’ny firenena. Izay indrindra no tian’i Etazonia hanohanana ny toekaren’i Afrika”, hoy ny Filoha amerikanina. Notsipihan’ny Filoha Andry Rajoelina fa misokatra amin’i Etazonia ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana an’i Afrika ary mila fitoniana sy filaminana ny kaontinanta afrikanina, raha ny fanampim-panazavany. Fotoan-dehibe nanan-danja ho amin’ny firenentsika sy ny fiaraha-miasa amin’i Etazonia ny fihaonana mahafinaritra niarahana tamin’ny Filoha Joe Biden tao amin’ny « Maison Blanche », tao Washington DC. Nanamafy ny fijoroan’izy ireo ho eo anilan’i Afrika amin’ny fampanajana ny demokrasia sy ny fanajana ny fifamindram-pahefana ara-pomba demokratika, ny Filoha amerikanina. Nizotra tao anatin’ny firahalahiana tokoa ny fihaonana teo amin’ny Filoha roa tonta.
Manana anjara toerana ny dia aleha…
Isan’ny vokatra amin’izao dia naleha izao, ny naha voahosotra ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana miaraka amin’ny fikambanana « Big Win Philanthropy » ho « tompondakan’ny fanjarian-tsakafo » aty Afrika indray ny Filoha Andry Rajoelina. Efa nanomboka ny taona 2019 no notendren’ny BAD io andraikitra maha tompondaka io ny Filoha, izay noho ny fahitana ny ezaka nataony nandritra ny telo taona nifanesy, indrindra tany Atsimon’ny Nosy. Anisan’izany ny nananganana niaraka tamin’ny Fikambanana Fitia ny ozinina NUTRISUD, izay mamokatra fanampin-tsakafo be otrikaina ho an’ny zaza tsy ampy sakafo. Ireo fanampin-tsakafo ireo dia zaraina maimaim-poana ho an’ireo zaza tsy ampy sakafo ireo any an-tsekoly, mba hahafahana mampihena ny tahan’ny zaza voatery mijanona tsy mianatra noho ny tsy fahampian-tsakafo. Herintaona taorian’ny nitsanganan’ny Nutrisud dia efa nisy fiakarana 30% ireo zaza manohy fianarana any an-tsekoly. Teo koa ny fanaovana ny tetikasa « titre vert » ho an’ny fianakaviana tena marefo, ka hanomezan’ny fanjakana tany azy ireo, eo anelanelan’ny 1.000 ka hatramin’ny 5.000 m2 sy fitaovana fambolena ary biby fiompy ahafahan’izy ireo manangana fihariana ka tsy ho voasarika hitsoam-ponenana hiala any atsimon’ny Nosy intsony.




