PolitikaSongadim-baovao

FIFANDRAISAN’I MADAGASIKARA SY FRANTSA: Nihaona i Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron

Fihaonana fahatelo teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron ny tontosa omaly  29 Aogositra 2022 tao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, taorian’ny tamin’ny 29 Mey 2019, sy ny tamin’ny 27 Aogositra 2021. Anisan’ny noresahan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa eo amin’ny lafiny fanjarian-tsakafo, ny haivoahary (écologie), ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria sy ny famoronana asa, ny firosoana amin’ny fampiasana ireo angovo azo havaozina ary ny fanohanana ireo mponina any Atsimon’ny Nosy, izay hianjadian’ny kere, mba hahaleo tena.

Raha tsiahivina dia efa nanambara ny Filoha frantsay tamin’ny taona 2021 fa vonona tanteraka i Frantsa hanohana ny fampandrosoana an’i Madagasikara araka ireo laharam-pahamehana nofaritan’ny Fitondram-panjakana. Nambarany tamin’izany ihany koa fa mitentina 240 tapitrisa euros ny fanohanana avy amin’i Frantsa ho fanatanterahana ireo tetikasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanabeazana, ny fanajariana an-tanan-dehibe ary ny fanantanterahana ireo fanamby amin’ny ady amin’ny haintany any Atsimon’i Madagasikara. Miroso amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo ny firenena roa tonta ankehitriny. Nanamafy ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo ihany koa ny Filoha Macron, indrindra amin’ny fampitomboana ny famokarana herinaratra eto amintsika.

Fermer