KolontsainaSongadim-baovao

FIFANINANAN-KIRA IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ANKIZY: Norombahan’i Madagasikara ny amboaran’ny “Our Generation”

Mamirapiratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray i Madagasikara. Nitondra avo ny voninahi-pirenena ny fandraisantsika anjara tamin’ilay fifaninanan-kira iraisam-pirenena ho an’ny ankizy antsoina hoe “Our Generation”. Fifaninanana natokana ho an’ny ankizy 9 hatramin’ny 16 taona. Nisolotena an’i Madagasikara tao anatin’izany i Filamatra Matokia. Natao tany Kazan-Rosia tamin’ny sabotsy lasa teo ny dingana famaranana tamin’io fifaninanan-kira io.

11 taona i Filamatra Matokia, avy any Toamasina, ary tsy hafa fa zanaky ny mpanakanto Stan sy Nanah ihany. Miisa 15 ireo firenena nandray anjara tamin’ny “Our Generation”. Nentin’i Filamatra Matokia nambabo ny fon’ireo mpanaraka io fifaninanana io maneran-tany io ny hira noforoniny manokana, nataony tamin’ny teny gasy, ary hira mitory fihavanana sy fiaraisan-kina. Ny fihavanana sy firaisan-kina izay mampiavaka antsika malagasy. Rehefa izany, tamin’ny alalan’ny safidy nataon’ireo mpijery no nahafahantsika malagasy nandrombaka ny amboara. Izany hoe i Filamatra Matokia no safidy voalohan’ireo mpanaraka ny fifaninanan-kira “Our Generation”.
Teo akaikin’i Filamatra, nandresy ka nahazo voalohany ny safidin’ireo mpitsara ihany koa ilay tovolahy kely 12 taona antsoina hoe Augusto Carcalho, teratany brezilianina.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer