Songadim-baovaoToekarena
FIFANINANANA FAMBOLEM-BARY – ATSIMONDRANO : 10 Tapitrisa Ar no atolotry ny Depiote Andry Ratsivahiny ho an’ireo dimy voalohany
Ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny Fitondrana Rajoelina amin’izao fepotoam-piasana faharoa izao ny fampiroboroboana ny fambolena, indrindra ny fambolem-bary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Mifanindran-dalana tanteraka amin’ny fanatanterahana izany vina izany ny fifaninanana fambolem-bary izay karakarain’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’Atsimondrano, Andry Ratsivahiny.
“Ilay fifaninanana Handao hamboly dia hetsika iray natao hanentanana ireo tantsaha hiverina hamboly”, araka ny fanazavan’ny Solombavambahoaka Andry Ratsivahiny. Notsindriany fa nisy fotoana tsy ampy ny rano tany amin’ny faritra atsimondrano. Amin’izao fotoana dia efa misy ny barazy roa lehibe efa vita ka tsy maintsy entanina ny tantsaha hamboly. Vola mitentina 10 Tapitrisa Ariary moa no loka atolotry ny Solombahoakan’Atsimondrano ho an’ireo 5 voalohany amin’ny fifaninanana.
Kaominina 14
Marihina fa ny Fanjakana foibe koa dia manana ny fandaharanasa amin’ny fambolena vary safiotra. “Io no ezahana hahenika manerana an’i Madagasikara, miainga ao Atsimondrano, satria entanina ireo tantsaha. Vonona ny tantsaha ary efa miandry an’io masomboly io”, hoy hatrany ny fanazavana. Tsara ho fantatra fa Kaominina 14 no mandra anjara amin’ny fifaninanana, ary napetraka ho 1 hektara isaky ny Kaominina ihany.
Rehefa vokatra ny vary avy eo dia iarahamahita eo ny vokatra azo amin’ilay vary safiotra, izay farafahakeliny 8 taonina isaky ny hektara, ary mety ho tafakatra hatrany amin’ny 12 taonina any mihitsy aza, araka ny angom-baovao. Tanjona ny hahatonga ny olona hazoto hamboly aorian’ity fifaninanana atao ity, hoy ny mpikarakara.
Marihina fa manohana akaiky ity hetsika ity ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo , eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, tarihin’i Tahina Razanamahefa. Izy ireo no hisahana ny fanomezana ny masom-boly, ny fitaovana, fampiofanana amin’ny fambolena voly vary safiotra, Maherin’ny 3 000 ireo tantsaha hisitraka ny fiovana, raha ny fanazavana.



