Songadim-baovao
FIFANINANANA LITERATIORA AN-TSORATRA : Hatonta ho boky ny asa soratry ireo mpandresy voalohany
Nofaranana omaly alakamisy 30 jona, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Fantatra tamin’izany koa ireo mpandresy telo voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ ny literatiora an-tsoratra malagasy. Niavaka koa ny loka azon’ireo nahazo ny laharana voalohany isan-tsokajin’ny literatiora nosoratana.

Fanoratana sombin-tantara, tantara foronina ary amboarana tononkalo nanaraka ny lohahevitra « Tagnamaro », « Iray ihany isika », « Asa sy Ezaka », fepetra voalohany notakiana tamin’ny mpifaninana tamin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora an-tsoratra malagasy. Samy nakana ny mpandresy telo voalohany ireo sokajy telo ireo. Nahazo tombony tamin’ny mpandresy ireo mpifaninana nibata ny laharana voalohany. Manana ny fahafahana hanonta ny asa sorany izy ireo, izay iandraiketan’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny famoahana izany ho boky, raha ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Notolorana loka maro ny mpandresy, tahaka ny Raikibolana malagasy, boky momba ny ohabolana malagasy, ny boky momba ny « Ny Fiandohan’ny Malagasy », ary ny boky Takelaka voavaofy. Marihina fa tsy nifidy taona ity fifaninanana ity. « Irariana ny hampiharina amin’ny fiainana andavanandro ny fanandratana ny teny malagasy », araka ny nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo tamin’ny kabary nataony. Lahateny izay namarana ny « Iray volan’ny teny malagasy » omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Araka ny nambarany hatrany, ny volana Jona no mifarana, fa mitohy kosa, ny fanaovana ny ranty ao amin’ny tambajotran-tserasera momba ny fanomezana ireo voambolana malagasy tena izy, ny fanohizana ny fandaharana mifandraika amin’izany ao amin’ny TVM sy RNM. Ankoatra ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », niompana koa tamin’ny fandaharana fampiroboroboana ny teny, fandaharana fanabeazana olom-pirenena vanona ity volana ity tao anatin’izany, izay iandraiketan’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nampiavaka ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », tamin’ity taona ity koa izany.
Mpifaninanana telo voalohany isan-tsojakiny
« Harena lehibe ho an’ ny Firenena ny fanomezana lanja ny soratra », raha ny nambaran’ny solontenan’ny Vondron’ny mpitsara, Iharilanto Patrick Andriamangatiana. Ireo mpandresy telo voalohany amin‘ny sombin-tantara: Razanajatovo Andrianimerina Hobiana, Ramboanomentsoandrainy Max Edmond, Natioranomena Narda. Momba ny tantara foronina indray: Randriamanalina Rova Mamitiana Hubertin, Randriamidosy Jean Bosco, Rafetinirina Georgette. Mahakasika ny amboarana tononkalo indray : Rakotondraibe Andry Lalaina, Rahariniaina Mamiarilanto Léonie, ary Ramanantenasoa Noëline.
Asa soratra nibata ny amboara

Araka ny nambaran’ ireo mpandresy sy nahazo ny laharana voalohany tamin’ny sokajy sombin-tantara sy tantara foronina, nisy ny sedra nolalovana ary tsy mora ny fanomanana ny fifaninanana. Nahazo ny laharana voalohany ny sombin-tantara mitondra ny lohateny « Nofy tsara, nofy ratsy », nosoratan-dRazanajatovo Andrianimerina Hobiana. Tantaram-pitiavana milaza ny fiarahan’olon-droa tsy afa-miaraka noho ny fady mipetraka amin’ny foko fiaviany, sy ny fanakavakavahana ary ny fiantraikan’izany eo amin’ny toerana iharany. Mahakasika ny tantara foronina kosa, nahazo ny laharana voalohany, ny tantara mitondra ny lohateny « Ody faty ». Tantara milazalaza ny trangam-piainana tany amin’ny Faritra Maroantsetra sy Vohipeno, ary ny sedram-piainana. Araka ny nambaran’ny tantara, singa telo ny mandrafitra izany ody faty izany, ny hasin’ny tany, izay tena mbola tandrovan’ny Faritra Antemoro, ny hasin’ny teny, izay sady mamelona no mamono, ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny fitiavana.
Ranto Mamitiana


