
KolontsainaSongadim-baovao
FIFANINANANA MOZIKA « UNSIGNED ONLY 2024 »: Nitana ny laharana faharoa i Minah Bolimakoa
Nivoaka ny 17 septambra lasa teo ny valin’ny fifaninanana mozika « Unsigned Only 2024 ». Nitana ny laharana faharoa teo amin’ny sokajy « World Music » i Minah Bolimakoa.
Manana ny toerana ny mozika Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ireo mpanakanto Malagasy no efa nampiseho ny fahaiza-manaony teo amin’ny fifaninanana notanterahina tany ivelany. Ny « Unsigned Only Music Competition » dia sehatra tsy manam-paharoa, manome fahafahana ho an’ireo mpanakanto vao misondrotra te hampiseho ny talentany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nahazo ny laharana faharoa i Minah Bolimakoa teo amin’ny sokajy « World Music » tamin’ilay hirany mitondra ny lohateny hoe « Sakinô » tamin’ireo mpanakanto dimampolo amby zato manerana izao tontolo izao. Ilay teratany anglisy PerKelt no nitana ny laharana voalohany teo amin’io sokajy io.
Raha tsiahivina ny tantaran’i Minah Bolimakoa na Angeleine Marie Rose dia, efa nisongadina teo amin’ny sehatry ny mozika ny tamin’ny taona 2016 ary niatrika ny famaranana ny fifaninanana ny « Prix découvertes Radio France Internationale ». Anisany mampiavaka an’i Minah Bolimakoa ny fanasongadinana ny fomban-drazana Malagasy. Maro amin’ireo hirany navoakany no nalainy tamin’i Bolimakoa raibeny. Raha ny hira « Sakinô» manokana, nivoaka ny taona 2023 nifaninana tamin’ny « Unsigned Only 2024 » dia, hira mitantara ny fivadiha-pitokisana teo amin’ny olona akaiky no nihaingan’ny aingam-panahy.
Maro ireo hira efa navoakan’i Minah Bolimakoa no efa mipaka eny an-tsofin’ireo mpankafy. Santionan’izany ny Efa Go, Kirera, Sahira Moramora, Staziera, Anjara tsy misôty, Mbôty, Tsy au poaly ary Zagnahary be.
Njaratiana




