KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
FIFANINANANA ROBOTIKA: Fahefatra maneran-tany i Madagasikara hatreto
Ny 27 Jona teo no nanomboka ny fifaninanana manerantany mamorona Robot, izay nandraisan’I Madagasikara anjara. Nifarana ny 25 septambra teo izany, araka ny fanazavana. Mbola amin’ny 31 Oktobra izao kosa no hamoahana ny vokatra ofisialy. Natao en ligne ny fifaninanana First Global Challenge 2020 – connecting communities tamin’ity taona ity, noho ny Covid-19. Fifanitsanana 25 no nataon’ny mpandray anjara rehetra avy amin’ny firenena 187 manerantany. Fifaninanana 11 amin’ireo kosa no mbola tsy vita fitsarana amin’izao, araka ny fanazavana. Eo amin’ny laharana fahefatra no misy an’I Madagasikara hatreto. Izany hoe, firenena telo sisa no eo alohantsika, ary azo antenaina ny mbola hiakaran’ny ekipam-pirenena malagasy aorian’ny fitsarana ireo fifaninanana 11 mbola tsy vita fitsarana. Ireo fifaninanana mbola tsy voatsara ireo izay natao tamin’ireo ankizy ao amin’ny ekipam-pirenena efa nitambatra tetsy Maibahoaka Ivato. Tsara ho fantatra fa na fony ireo ankizy ireo mbola nisara-toerana aza dia efa nahazo vokatra tsara hatrany Madagasikara, izany hoe, herijika hahafahana mampiakatra ny isa ny nampivondronana azy ireo tamin’ny toerana iray. Hatreto, Chili no mitarika eo amin’ny laharana voalohany amin’ny isa 82.
Fahaiza-manao sy mamorona
Ny fahaiza-manao sy mamorona ary ny teknika no anisany mason-tsivana lehibe hitsarana ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana. Tsy hisalasalana, noho izany, fa mahavita azy ny tanora malagasy satria nihoaran’I Madagasikara avokoa ireo firenen-dehibe, toa an’I Etazonia, Chine, Japon, Allemagne, Frantsa.” Namana 2.0” sy “Voromahery”, ireo no robot noforonin’ny tanora malagasy tamin’ity taona ity nentina niatrika ny fifaninanana. Ny robot “Namana 2.0” dia afaka manampy ny olona mandritra ny andavanandro, mandroaka fako, mamafa trano sy ny sisa. Ny “Voromahery” kosa indray dia azo ampiasaina mandritra ny hain-trano ohatra na doro tanety, afaka misava lalana, misy fitaovana afaka mipoaka izay mamono afo hatrany amin’ny folo metatra manodidina. Tsiahivina fa ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no mpiahy ity ekipam-pirenena malagasy ity, ary efa maro no endrika fanohanana sy fanampiana natao, ho fampiakarana ireo tanora malagasy amin’ny toerana ambonimbony kokoa hatrany.




