KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

FIFANINANANA TOSIK’ART: Efa mihodina ny orinasa kely « B Audio »

Tosik'art, fifaninanana iray entina hanampiana tosika ireo tanora malagasy mpandraharaha amin'ny sehatry ny Kolontsaina marolafy. Fifaninana izay eo ambany fikarakaran’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tanteraka. Tamin’ny andiany 2019, isany nahazo loka ny tetikasa fandraraharana nentin’i Lantoniaina Bruce, izay nahazoany famatsiam-bola manokana. Ankehitriny, efa mihodina ny orinasa keliny, izay mitondra ny anarana hoe “B Audio”.

“Lantoniaina Bruce, manambady aman-janaka, fantatry ny olona amin’ny solon’anarana hoe « Bruce RVB ». Nanomboka ny taona 2017 aho no niditra tao anatin’ny fananganana fitaovana “acoustique”. Taona maromaro talohan’izay koa no efa niezaka nandalina sy ny nampianan-tena teo amin’izay sehatra izay. Izany no anisany naharesy lahatra ahy tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny Tosik’Art tamin’ny 2019”, hoy Bruce omaly.

Herintaona taty aorian’ny fifaninana, efa mijoro ary mihodina ara-dalàna ny orinasa kely mpamokatra vata fanamafisam-peon’i Bruce.  “B audio” no anaran’ny marika no sady anaran’ny orinasa ihany koa. Raha tsiahivina, nahazo ny laharana faharoa ny tetikasa fandraraharana nentin’I Bruce tamin’ny fifaninana Tosik’Art. Anisan’ireo nisitraka famatsiam-bola hahafahana manatanteraka ny tetikasa, noho izany, ny tenany. “Nampiasaina nentina nanafarana entana avy any ivelany ny famatsiam-bola tamin’ny Tosik’Art, nanafarana milina fandokoana”, hoy izy. Efa misy manao “Commande” ny vokatra B Audio amin’izao fotoana izao. Efa manomboka fantatr’olona ny marika. Ary efa hatrany amin’ny faritany ny fanaovana famandrihana.

Tonga nitsidika ny orinasa kely B Audio tetsy Andoharanofotsy ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana omaly.

Tsara kalitao

Omaly, nisy ny fitsidihana ny toeram-pamokarana B Audio tetsy Andoharanofotsy, nataon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, notarihin’ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana. Nandritra izany no nijerena ny fomba nentin’I Bruce nampiasaina sy ny nitantana ny fanampiana ara-bola azony tamin’ny Tosik’Art. Ary nanambaran’ny Minisitra koa fa mbola afaka manampy ny minisitera amin’izay lafin-javatra azo hifanampiana, hahafahana mampiroborobo ny orinasa. Nosinganin’I Bruce manokana kosa fa ny lafiny serasera sy ny fampahafantarana ny orinasa sy ny marika no mbola mila tosika hatreto. Izy izay milaza ho manam-pikasana hanitatra bebe kokoa ny orinasany. Ankoatra izay, fiarahamiasa natolotr’I Bruce kosa ny fahafahan’ny B Audio manao tolotra manokana amin’ny fampitaovana sy fanamafisam-peo ireo tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina vao aorina. Eo amin’ny Kalitao rahateo, nilaza Lantoniaina Bruce fa tsy latsa-danja amin’ny vata fanamafisam-peo avy any ivelany ny vokarin’izy ireo satria mandalo dingana maro ny vokatra iray vao omena ny mpanjifa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana andrana sy ny fanarahamaso ny pitsopitsony ara-teknika rehetra.

Fermer