Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

FIFANINTSANANA CAN 2023: Handeha mivantana amin’ny TVM ireo lalao enina ataon’ny Barea

Namoaka fanambarana omaly ny teo anivon’ny fahitalavi-pirenena fa ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy baolina kitra sy ho fanohanana ny ekipam-pirenentsika dia novidian’ny Fitondram-panjakana ny zo ahafahana manaraka mivantana ao amin’ny TVM ireo lalao enina ataon’ny Barea amin’ny fifanintsanana Can 2023. Hisantatra izany ny lalao voalohany hifanandrinan’ny Barea amin’ny Ghana, rahampitso amin’ny 10ora alina. Hitohy amin’ny fifanandrinan’ny Barea amin’ny Angola amin’ny 5 Jona ho avy izao izany, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina.

Vonona ny Barea

Etsy ankilany, efa mizotra, araka ny tokony ho izy, ny fanomanana ny lalao fifanintsanana izay ho tompondakan’i Afrika Can 2023, raha ho an’ny Barean’i Madagasikara manokana. Vonona tanteraka ireo mpilalao rehetra tarihin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis.  Raha tsiahivina dia ny sabotsy tolakandro no nanainga ireo delegasiona sy mpilalao avy eto an-toerana niampy ireo mpila ravinahitra avy atsy amin’ny nosy La Réunion. Ary efa nahavita ny fanazarantena voalohany tao amin’ny kianjan’ny Cape Coast Sports Stadium, Accra Ghana. Tonga omaly ihany koa i Loïc Lapoussin sy ilay mpilalao vaovao voaantso Julio Donisa, ary andrasana ho tonga i Voavy Paulin sy Arnaud. Ary mitohy hatrany ny fanomanana ho an’ny ekipa rehetra. Marihina fa efa nihaona i Ghana sy Madagasikara tamin’ny 25 Mey 2015 tamin’ny lalao ara-pirahalahiana ka nivoaka mpandresy tamin’ny isa roa noho iray ny Malagasy, tamin’izany. I Ghana no ekipa lazaina fa goavana ao amin’ny vondrona E misy antsika, hoy ireo mpamakafaka, izay isany mifaninana amin’ny amboara eran-tany solontenan’ny firenena Afrikana.

Heriniaina S. (mpianatra asa) sy LR.

Fermer