Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao

FIFANINTSANAN’NY AMBOARA ERANTANY 2026: Hiady ny lohany ao amin’ny vondrona I ny Barea sy ny Black Stars anio alina

Hotanterahina anio alina amin’ny 10 ora ny andro fahaenina eo amin’ny fifanintsanan’ny amboara erantany 2026, izay hifandonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Black Stars an’i Ghana. Ity fihaonana ity no hamaritra izay ho voalohany vonjimaika indray ao amin’ny vondrona I. Hatreto aloha, dia mitarika vonjimaika ny Black Stars an’i Ghana amin’ny isa 12. Faharoa manaraka azy ny Barea an’i Madagasikara manana isa 10. Lasa laharana fahatelo i Comores manana isa 9, fahaefatra i Mali manana isa 8, Rép. Centrafrique kosa manana isa 4 ary mbola i Tchad no manarana ny filaharana tsy mbola manana isa.

Raha toa ka maharesy ny Black Stars an’i Ghana ny Barea dia hiverina ho lohany indray ao amin’ny vondrona I. Raha sahala kosa ny fihaonana na resy dia hisy fiovana betsaka ny filaharana ao amin’ity vondrona ity. Raha tsiahivina ny vokatra tao amin’ny vondrona i misy an’i Madagasikara dia, Rép Centrafrique resin’i Madagasikara 1 no 4, Comores lavon’i Mali 0 no ho 3 ary Ghana nanamontsana an ‘i Tchad 5 no ho 0.

Ny fandaharam-potoana eo amin’ny andro fahaenina ao amin’ny vondrona I kosa dia, Barea an’i Madagasikara hifandona amin’ny Black Stars an’i Ghana, Mali hifanandrina amin’ny Rép. Centrafique ary Comores hihaona amin’ny Tchad. Hafana tanteraka ny fifandonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Black Stars an’i Ghana satria raha ny fihaonana dimy farany nataon’ny roa tonta dia, samy nahazo fandresena roa avy ny roa tonta ary sahala ny lalao iray. Hanala vela amin’ny Black Stars an’i Ghana ny Barea an’i Madagasikara amin’ity fihaonana ity satria efa lavon’i  Black Stars an’i Ghana 1 no ho 0 ny Barea an’i Madagasikara tamin’ny lalao mandroso notanterahina ny 24 marsa 2025 teo amin’ny fifanintsanan’ny amboara erantany 2026 ity.

 

Njaratiana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer