
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FIFANINTSANAN’NY AMBOARA ERANTANY 2026: Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Barea hiatrika ny andro faha-9 sy faha-10
Nivoaka ny lisitry ny Barea an’i Madagasikara hiatrika ny andro faha-9 sy faha-10 eo amin’ny fifanintsanan’ny amboara erantany 2026. Nanamarika ity lisitra navoakan’ny mpanazatra Corentin Da Silva Martins ity ny fidiran’ireo mpilalao mbola tanora hanampy ireo zoky efa manana rraikefa.
Eo amin’ny mpiandry tsatokazo no ahitana an’i Michel Ramandimbisoa (Elgeco Plus), Zakanirina Rakotoasimbola (AS Marsouins), ary Geordan Dupire (FC Swift Hesperange). Eo amin’ny vodilaharana kosa dia ahitana an’i Sandro Tremoulet (FK Radnik Surdulica), Eshan Kari (Étoile FC – Fréjus-Saint Raphaël), Andy Pelmard (Jagiellonia Białystok), Tony Randrianampisoa (Elgeco Plus), Morgan Jean Pierre (Fleury FC), Ryan Ponti (Rodez Aveyron), Nicolas Randrianampisoa (Al Merreikh) ary Radonirina Rabemanantsoa (AS Fanalamanga).
Ny mandranfitra ny eo afovoan’ny kianja dia, Marco Ilaimaharitra (Standard de Liège) sy Rayan Raveloson (Young Boys). Hanampy azy ireo i Mamisoa Rakotoson (Elgeco Plus), Clément Couturier (Thionville), Lalaina Rafanomezantsoa (Paradou AC) ary Johan N’zi.
Ireo lohalaharana dia, Tommy Iva (Créteil Lusitanos), Arnaud Randrianantenaina (El Gouna FC), Njiva Rakotoarimalala (Ratchaburi), El Hadary Raheriniaiana (Valenciennes FC), Warren Caddy (FC Lausanne-Ouchy), Bryan Adinany (K. Lierse S.K.), ary Fenohasina Gilles Razafimaro (Al Merreikh).
Io lisitry ny Barea an’i Madagasikara io no hiatrika ny andro faha-9 sy faha-10 eo amin’ny fifanintsanan’ny amboara eran-tany 2026, izay hifandonan’i Madagasikara amin’ny Les Cœlacanthes an’i Comores ny 08 oktobra 2025 amin’ny 7 ora ary ny Les Aigles an’i Mali ny 12 oktobra 2025 amin’ny 10 ora alina.
Njaratiana.



