Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

FIFANINTSANAN’NY CHAN 2025 : Efa akaiky ny fahazoana tapakila ho an’ny Barea A’

Nahavita nandavo ny Sihlangu Semnikati avy any Eswatini 2 no ho 0 ny Barea an’i Madagasikara nandritra ny lalao mandroso eo amin’ny dingana farany amin’ny fifanitsanana notanterahina tao amin’ny kianja Lucas Masterpiece Moripe, any Pretoria – Afrika Atsimo. Efa manakaiky ny fahazoana tapakila hiatrehana ny Championnat d’Afrique des Nations (CHAN) 2025 ny Barea A’. Baolina matin’i John Christiano Rarazafimanana, mpanafika avy amin’ny Centre de Formation de Football d’Andoharanofotsy (CFFA) nanokatra ny isa ho Barea an’i Madagasikara teo amin’ny minitra faha-20. Tsy ampy iray minitra taorian’izay, nampiditra ny baolina faharoa indray i Fenohasina Gilles Razafimaro. Io isa 2 no ho 0 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra nandritra ny fihaonana, tsy niova intsony io isa io nandritra ny 90 minitra. Raha tsiahivina ireo mpilalao mandrafitra ny Barea an’i Madagasikara dia, eo amin’ny mpiandry tsato-by i Rakotoasimbola Zakanirina, Rakotoarimanana Mickael Prosper, Ralaivao Alexandro Alphonse. Vodilaharana i Amourson Andriniaina Aurelien (Andrykely), Rakotonirina Jean Martin (Datsiry), Jean Wilson Jeannot, Randriamanampisoa Elysé Tony, Randrianjatovo Pierre Randy Franco, Ratsimbazafy Hajatiana Claude, Rabearivelo Bono Stephano, Rabearivelo Bono Stephano, Rabariantoana Tantely Niaina, Randriamanampisoa Rijaniaina Nicolas. Ny mandrafitra ny afovoan’ny kianja dia Randrianantenaina Harison Patrick, Rakotoson Mamisoa Alexandre, Rakotondrajoa Andy Nantenaina, Rakotonirina François Jean Ferdinand, Rafanomezantsoa Lalaina, Rabat Armando Fernandez (Mandô), Rakotoarisoa Tiavina Pierre Mickael (Donga), Rakotoarisoa Tiavina Pierre Mickael (Donga), RAKOTOARISOA Tiavina (Donga). Ireo mpanafika kosa dia, Razafimanana Jhon Christiano, Rakotondrabe Tokiniaina, Ranaivoson Jean Luc, Razafimahatana Nantenaina Gregasse, Razafimaro Fenohasina Gilles. Eo am-pelatanan’ny mpanazatra Romuald “Rôrô” Rakotondrabe sy ny ekipany ny hoavin’ny Barea A’. Tsy maintsy miaro ny vokatra azony izy ireo amin’ny lalao miverina, izay hotanterahina ny 29 desambra ho avy izao any Côte d’Or, Maurice. Raha azo antoka ny fandresena, dia hanamarika ny fahatongavan’ny Barea A’ amin’ny CHAN fanindroany ity dingana ity. CHAN 2025 izay hotanterahina ny 1 febroary hatramin’ny 28 février 2025 ao Kenya sy Tanzanie ary Ouganda. Firenena 16 no hiady ny amboara ny CHAN 2025 ity, kianja 4 no handray ny lalao 32 amin’izany.
Njaratiana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer