PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FIFANOJOAN’NY VINAM-PAMPANDROSOANA : Manamafy ny fiarahamiasa ara-toekarena i Madagasikara sy i Rwanda
Amin’ny maha fitsidihana amin’ny fomba ofisialy ny dian’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina any Rwanda, dia noraisin’ny Filoha Paul Kagamé ny tenany omaly tao amin’ny Lapam-panjakana ao Urugwiro village ao Kigali. Nisy ny dinika manokana nifanaovan’ny ny Filoha roa tonta izay naharitra ora iray katroka. Taorian’ity fihaonana ity dia nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fifanarahana ara-pirahamiasa ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Rwanda izay natrehan’ny Filoha roa tonta.
Naharitra ora iray ny fihaonana teo amin’ny Filoha malagasy sy ny Filoha Rwandais omaly tao amin’ny Lapam-panjakana ao Urugwiro village ao Kigali. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fifanakalozana traikefa eo amin’i Madagasikara sy Rwanda. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fitrandrahana volamena, ny fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro, ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo ary ny fampiroboroboana ny teknolojiam-pifandraisana vaovao eo amin’ny lafiny fitantanana sy fampandrosoana. Tsara ho fantatra fa ny firenena rwandais dia isan’ireo firenena nahavita niarina sy nahatanteraka ny fampandrosoana na dia niatrika ady an-trano goavana aza tany amin’ny taona 90 tany. Ankehitriny dia fitaratra eto Afrika amin’ny lafiny fandrosoana i Rwanda.
Taorian’ity fihaonana ity dia nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fifanarahana ara-piarahamiasa ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy i Rwanda izay natrehin’ny Filoha roa tonta. Ity fifanarahana natao sonia ity no antoka ifaneken’ny Fanjakana malagasy sy rwandais mahakasika ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta izay mifanojo ihany koa amin’ireo fifanarahana natao sonia nandritra ilay « Rwanda-Madagascar Business Forum ». Tafiditra ao anatin’izany fifanarahana izany ny sehatry ny indostria, ny agrobusiness, ny fizahantany, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fanodinana volamena, ny teknolojia vaovao sy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola.
Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa ny ohatra omen’i Rwanda dia manome fanentanana ho an’i fampandrosoana an’i Madagasikara ary vonona hatrany ny tenany sy ny Fitondram-panjakana malagasy hanohy ireo ezaka efa natao. Nilaza kosa ny Filoha Paul Kagamé fa ny varotra sy ny fampiasam-bola no fanoitra amin’ny fitomboana ara-toekarena ho an’ny firenena roa tonta. Samy niharan’ny fiovaovan’ny toetrandro mahery vaika i Madagasikara sy Rwanda ka nanimba ny antom-piveloman’ny olona sy ireo fotodrafitrasa ka mila mifampizara sy mianatra avy amin’ny traikefa ananany ny firenena tsirairay, hoy izy.
Marihina fa nanatrika ny fifanaovan-tsonia omaly ireo Minisitra vitsivitsy avy amin’ny Governemanta rwandais. Ho antsika malagasy kosa dia tazana tany an-toerana ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, ny Minisitry ny Paositra Tahina Razafindramalo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika Claude Fanohiza, sy solontena malagasy vitsivitsy.




