PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA AMIN’NY 09 NOVAMBRA: Tafakatra 17 ireo nametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana
Filoham-pirenena teo aloha miisa roa no niverina nirotsa-kofidiana ho Filohan’ny Repoblika indray hatreto, araka ny lisitra vonjy maika navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana omaly. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo olom-baovao tsy dia fahita eo amin’ny sehatra politika. Hatramin’ny omaly, tafakatra 17 ireo olona nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny Ambohidahy.
Tsy araka ny resabe niniana naely tany aloha fa dia mbola manao tohivakana ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Filohan’ny Repoblika etsy amin’ny Biraon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) Ambohidahy ankehitriny. Raha ny hita dia tsy sakana ho an’ireo olona manam-pikasana hitondra ny firenena mihitsy ny nandoa ilay 200 Tapitrisa Ariary anto-bola izay novoizin’ny sasany tany am-boalohany fa fanakanana ny kandida hafa tsy handray anjara. Hatramin’ny omaly talata 05 septambra dia tafakatra 17 ireo kandidà Filoham-pirenena nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidina teny an-toerana. Heverina ny mbola hiakaran’io isa io satria nisy ireo mpanao politika efa nanao fanambarana am-bava fa hirotsa-kofidiana saingy tsy mbola tonga teny an-toerana nanatitra ny antontan-taratasy. Anisan’ny nanamarika ny lisitra vonjimaika izy navoakan’ny HCC omaly ny mbola fiverenan’ireo Filoha teo aloha miisa roa nirotsa-kofidiana indray, dia andriamatoa Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.
Anisan’ireo andrasana fatratra amin’ity anio ity kosa ny firotsahan-kofidian’ny Filoha Rajoelina, izay mbola tsy nanao fanambarana ofisialy mihitsy hatreto, na dia efa maro aza ireo antoko politika sy fikambanana samihafa izay niantso ny fandraisany anjara indray amin’izany fifidianana izany. Tsara ho fantatra fa mifarana anio 06 Septambra 2023 izay fanaterana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana izay. Ary ny sabotsy 09 septambra 2023 izao no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo ekena ho isan’ny kandida ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.




