PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA AMIN’NY 16 NOVAMBRA: Tsy manakana ny zotram-pifidianana ny tsy fanaovana fampielezan-kevitra
Raha toa ka mbola varina amin’ny fidinana an-dalambe sy ny filàmboatsiary etsy sy eroa ireo Kandidà hafa, izay midongy tsy hanao fampielezan-kevitra, dia miroso hatrany ny zotram-pifidianana. Araka ny lalàna dia tsy mandrava ny dingana rehetra efa nirosoana momba ny raharaham-pifidianana ny tsy fanaovana fampielezan-kevitra. Ary misy rahateo koa ireo kandidà izay efa miroso ao anatin’izany fampielezan-kevitra izany, ho an’ny fifidianana amin’ny 16 novambra.
Nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny fisian’ny hetsika nataon’ireo Vondron’ny Kandidà tetsy amin’ny Coliséum Antsonjombe izay nisiana fanaovana Sonia ny fanambarana fa tsy manaiky ny hanatanterahana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ny 16 Novambra 2023 izao izy ireo. Mbola hanohy ny fitakian’izy ireo, araka izany, ireto Kandidà ireto, ary tsy hanao fampielezan-kevitra. Ny tsara tsindriana anefa dia tsy mampiova na inona na inona mihitsy amin’ny firosoan’ny zotram-pifidianana ity fihetsika ataon’ireo Vondron’ny Kandidà ity. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), izay toherin’izy ireo, no efa nanaiky ny maha kandidà azy ireo, ka tsy azo tsoahina intsony izany didy izany. Toy izany koa, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), izay rafitra ara-dalàna mikarakara ny fifidianana kanefa takian’ireo Vondron’ny Kandidà koa ny handravana azy, no nanome ny laharana ho an’ny kandidà tsirairay avy. Amin’izao fotoana aza dia efa saika mampiasa io laharana azo avy amin’ny antsapaka teny amin’ny Ceni io avokoa ireo kandidà samihafa. Entina hilazana fa tsy tsara toerana mihitsy ireo Vondron’ny Kandidà hilaza ny tokony handravana indray ireo rafitra mpikarakara fifidianana ireo. Sa rehefa inona no ekena, dia rehefa inona no hametrahana olana?
Tsara tsiahivina, ny taona 2018 ihany koa ny Kandidà Filoham-pirenena Sarah Georget Rabeharisoa dia nisafidy ny tsy nanao fampielezan-kevitra, fa kosa nanohana kandidà hafa. Saingy ny anarany sy ny laharana dia tsy afaka nesorina tao amin’ny biletà tokana intsony, ary tsy nahasakana ny fifidianana tsy niroso ihany koa izany. Toy izany koa ny niseho tany Côte d’Ivoire tamin’ny taona 2020. Tsy nisy nanao fampielezan-kevitra ihany koa ireo kandidàn’ny fanoherana tany an-toerana tamin’izay, kanefa niroso ihany ny fifidianana ary lany ho Filoham-pirenena indray ny Filoha farany Alassane Ouattara, nandritra ny fihodinana voalohany. Dikany, tsy mampiova na inona na inona ny filazan’ny kandidà sasany fa tsy manaiky ny hizoran’ny fifidianana izy ireo.
Kandidà telo manao fampielezan-kevitra
Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, dia fantatra fa telo ireo kandidà efa miroso tanteraka anaty fampielezan-kevitra. Raha toa ka tokoa mantsy ka niara-dalana tamin’ireo Vondron’ny Kandidà tsy nety nanao fampielezan-kevitra andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko teo aloha, dia nisantatra izany propagandy izany ny tenany nanomboka omaly tao Vohémar. Nambarany fa efa nivonona amin’ny fifidianana izy ka tsy matahotra ny kandidà Andry Rajoelina. Efa ela ihany moa no tsikaritra ny fahavononan’ingahy Siteny Randrianasoloniaiko tamin’ny fampielezan-kevitra saingy mbola variana nialokaloka tao ambadiky ny Vondron’ny Kandidà nandritra ny andro maromaro ny tenany. Ankoatra azy dia efa anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka koa ny Kandidà laharana faha-11, Raderanirina Sendrison Daniela. Toy izany koa ny Kandidà Andry Rajoelina izay anatin’ny heriny tanteraka ankehitriny.
Ny Fanoratana.


