PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA AMIN’NY 29 MEY 2024 : Voafaritra ho 163 ny isan’ireo Solombavambahoaka hofidina

Fantatra nandritra ny filankevitry ny Minisitra natao omaly fa niakatra ho 163 ny isan’ireo olona hofidina ho Solombavambahoakan’i Madagasikara amin’ny andron’ny 29 Mey 2024 izao manerana ny Nosy. Niainga tamin’ny fitomboan’ny isan’ireo mponina any amin’ny Distrika sasantsasany no nahatonga izany, izay lasa hanana Solombavambahoaka miisa roa. Izany hoe, hitombo 12 izany ny isan’ireo Depiote raha mitaha ny tamin’ny 2019.

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ny didim-panjakana famenon’ny didimpanjakana laharana faha 2019-189 tamin’ny 20 febroary 2019 mamaritra ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, sy ny fitsinjarana ny toerana (répartition des sièges) manerana ny firenena malagasy, ary ny fomba famaritana ny fari-pifidianana ho an’ny fifidianana solombavambahoaka.

Ny distrika tsirairay avy no mirafitra ho fari-pifidianana. ary tahaka izao ny famaritana ny isan’ny                              solombavambahoaka isaky ny fari-pifidianana : Ny boriborintany 6 izay mirafitra ho distrika 6 eto Antananarivo renivohitra dia manana solombavambahoaka 2 avy isaky ny boriborintany, amin’ny maharenivohitr’i Madagasikara azy. Ny distrika renivohim-paritany 5 hafa koa dia manana solombavambahoaka 2 avy. Ny distrika manana isan’ny mponina mihoatra ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 2 avy, ary ny distrika manana isan’ny mponina latsaka ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 1 avy. “Na manahoana na manahoana kosa dia tsy misy distrika manana solombavambahoaka mihoatra ny 2”, hoy ny tatitra.

Voafaritra ho 163 araka izany ny isan’ny solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara hofidiana amin’ny fifidianana amin’ny 29 mey 2024, niampy 12 izany raha ampitahaina amin’ny tamin’ny 2019 noho ny fitombon’ny isan’ny mponina.

Nandrasan’ny maro… Betsaka ireo efa niandry fatratra ity famaritana ny isan’ny Depiote hofidina amin’ny fifidianana manaraka ity, raha tsy hilaza afatsy ry zareo avy ao amin’ny Vovonana Firaisankina izay efa nanao antso manokana tamin’ny Governemanta ny amoahana io isa io. Hatreto, tsy mbola tena handrenesam-peo ihany kosa ny avy amin’ny Mpanohana ny Filoha mahakasika ny fandrotsahana Kandidà amin’ny fifidianana Solombavambahoaka. Antenaina, araka izany, fa ho fantatra ato ho ato avokoa ireo fanontaniana tsy mbola voavalin’ny mpanara-baovao ireo. Tsiahivina fa mbola eo am-piandrasana ireo Didim-panjakana isan-karazany ihany koa isika, izay manoritsortra ireo daty sy fikarakarana samihafa momba ny fifidianana Solombavambahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny daty hahafahana mametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, ny fampielezan-kevitra ary ny lafiny anto-bola.

Ireto avy ny distrika lasa hanana solombavambahoaka miisa 2 hofidiana ao aminy ankoatra ireo efa nanana 2 hatramin’izay:

  • Ambatolampy – Vakinankaratra
  • Betafo – Vakinankaratra
  • Antsirabe I – Vakinankaratra
  • Ambalavao – Matsiatra Ambony
  • Ihosy – Ihorombe
  • Toamasina II – Atsinanana
  • Mahanoro – Atsinanana
  • Mandritsara – Sofia
  • Betioky Atsimo – Atsimo Andrefana
  • Amboasary Atsimo – Anosy
  • Ambilobe – Diana
  • Antalaha – Sava

Fermer