PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA BEN’NY TANANA ETO ANTANANARIVO : Nanao fanambarana fanohanana an’i Harilala Ramanantsoa ny antoko AVI
Mampitombo hatrany ny herijika ananan’ny Kandidàn’ny “Vovonana Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” ny fahazoany ny fanohanan’ny Antoko “Asa vita no ifampitsarana – AVI”, araka ny fanambarana ofisialy natao omaly. Ny Filoha mpanorina ny Antoko AVI, Norbert Lala Ratsirahonana mihitsy no naneho ny fanohanana mivantana ny Kandidà laharana fahafito eto an-drenivohitra.
Nanao fanambarana ofisialy omaly, amin’ny fanohanany ny kandida ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra, Ramanantsoa Harilala, ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana na AVI. Tao amin’ny foibe toeran’ity antoko ity, tao Antsahavola, no nanaovany izany fanambarana izany. Vory lanona tao avokoa ireo mpikambana mandrafitra ny antoko eto Antananarivo sy ny manodidina, fa indrindra ireo mpikambana anaty birao politika. Isan’izany ny solombavambahoaka Andriamiharivolameba Liva Zavamanitra, voafidy tao Fandriana, izay sekretera jeneralin’ny antoko. Nanamarika ity fanambarana nataon’ny AVI ity ny fijoroan’ny filoha mpanorina ny antoko, Ratsirahonana Norbert Lala, izay efa amam-bolana no tsy hita loatra teo amin’ny tontolo politika, sy tsy naneho hevitra politika. Midika izany fa manohana manontolo ny kandidà Ramanantsoa Harilala ny antoko. Ary ny filoha mpanorina ny AVI mihitsy no nanao izany fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fanohana ity kandida ho ben’ny tanàna izay atolotry ny Vovonana Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina na IRMAR, ity.
Nohamafisin’ireo mpitarika ny AVI ihany koa fa mpikambana feno anatin’ny vovonana IRMAR ity antoko ity. Ankoatra ny maha mpikambana ao amin’ny IRMAR azy, notsindrian-dRatsirahonana Norbert Lala fa “misy fifandraisam-po eo amin’ny antoko AVI sy Ramanantsoa Harilala”. Notsiahivin’ity filoha mpanorina ny AVI ity, fa efa ela izy sy antoko tarihiny no niara-dalana amin’ny filoha Andry Rajoelina. “Efa hatramin’ny taona 2006 no efa nifandray izaho sy ny filoha Rajoelina, raha nilatsaka ben’ny tanàna izy tamin’ny fotoan’androny. Niaraka teny foana na tamin’ny sarotra, na tamin’ny mora”, hoy izy.
Faharesen-dahatra…
Nomarihin-dRatsirahonana Norbert Lala fa tsy amin’ny maha kandida an’ny IRMAR fotsiny fa faharesen-dahatra no anohanan’ny AVI ny kandida Ramanantsoa Harilala. Faharesen-dahatra taorian’ny fifampiresahan’izy roa tonta raha ny nambaran’ny filoha mpanorina ny AVI. Ramanantsoa Harilala rahateo dia efa mpanolotsaina monisipaly nandritra ny efa-taona, ary efa nitantana an’Antananarivo ihany fon’izy PDS. Araka izany, izy irery amin’ireo kandidà mirotsaka ho ben’ny tanàna eto an-drenivohitra no tena mahafantatra marina sy niaina ny olana sedrain’ny fitantanana ny tanàna, ary koa afaka manolotra vahaolana matotra sy azo ampiharina ary miantraika mivantana amin’ny fanatsarana ny fiain’ny mponina, sy ny fampivoarana ny tanàna.
Porofon’izany, nandritra ny herinandro vitsy naha PDS azy, nihazakazaka ny fanamboaran-dalana. Sahy nandray fanapahan-kevitra izy andaminana ny tsena sy andrindrana ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Taorian’ny fanambarana nataon’ny antoko AVI, dia naneho ny fisaorany ny antoko AVI ny kandidà Ramanantsoa Harilala noho izao fanohanany azy amin’ny fifidianana ho ben’ny tanànan’Antananarivo izao. “Manomena toky aho fa ho ben’ny tanàna mendrika ny fahatokisanareo, ary hanao ny aiko tsy ho zavatra, hitondra fampandrosoana marina ho an’ny mponin’Antananarivo, ho an’ny tanànan’Antananarivo. Ny firotsahako ben’ny tanàna dia tsy ho tombontsoa ho ahy manokana, fa ho an’ny mponin’Antananarivo, ho an’ny zanak’Antananarivo, ho an’ireo rehetra mivezivezy eto Antananarivo”, hoy ny kandidà Harilala Ramanantsoa, namarana ny fandraisam-pitenenany.
Tsara ho fantatra fa ao anatin’izao fiomanana ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao dia efa miroso amin’ny fampiofanana ireo solontenan’ny kandidà isaky ny birao fandatsaham-bato ny avy amin’ny Kandidà Harilala Ramanantsoa. Mifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany koa ny Antoko AVI.




