PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA BEN’NY TANANA: Toerana 967 amin’ny 1695 manerana ny Nosy no azon’ny IRMAR

Nazava ny tarehimarika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly, fa ny Vovonana politika “Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” no nahazo toerana betsaka indrindra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo. Araka ny tatitra, 967 amin’ireo Kaominina miisa 1695 manerana ny Nosy no azon’ny IRMAR. Niisa 474 kosa ireo Kaominina azon’ny “Tsy miankina”, raha toa ka 52 no azon’ny FIVOI. Miisa 38 kosa no azon’ny antoko Tiako i Madaagascar.
Azo tsoahina miainga amin’ireo tarehimarika ireo fa ny IRMAR no mbola vovonana politika matanjaka indrindra eto amin’ny firenena. Mibaribary ihany koa ny mbola fankasitrahan’ny vahoaka ny Fitondrana izay tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Etsy ankilany, mihalefy tanteraka ny tanjaky ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) izay tokony ho mpifanandrina mivantana amin’ny IRMAR, saingy tsy nahazo afatsy ireo Ben’ny tanàna 38.
Araka ny efa nambara ombieny ombieny dia zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana maro manerana ny Nosy ny fananana Ben’ny tanàna mitovy fomba fijery amin’ny Fitondram-panjakana. Anisan’ny nanamarika tamin’ny fifidianana farany teo rahateo ny fahazoan’ny kandidà mpiara-dia amin’ny Fitondrana ny fandresena teto Antananarivo Renivohitra. Antoka ho an’ny fitoniana sy ny fampandrosoana izany.
Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer