PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA – FANDANIAM-BOLAN’NY KANDIDA: Adihevitra ny famerana azy na tsia
Nisy ny adihevitra nokarakarain’ny fiarahamonim-pirenena ONG Ivorary niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, omaly, niresahana indrindra mahakasika ny fangaraharan’ny fifidianana sy ny famerana ny fandaniana ara-bolan’ny kandida mandritra ny fampielezan-kevitra. Nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny avy amin’ny CCFVP, ny avy amin’ny fanoherana, ary ny avy amin’ny mpanohana ny Fitondrana, izay voasolo tena tamin’ny alalan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Filohan’ny Antoko Freedom.
Miray feo amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ny fiarahamonim-pirenena Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG) ny amin’ny tokony hamerana ny fandaniana ara-bolan’ny kandida amin’ny fifidianana izay atao eto amin’ny firenena. Nambaran’ny Tale mpanatanteraky ny TI-MG, nandritra ny adihevitra izay natao tetsy Faravohitra, omaly, fa anisan’ny ady amin’ny kolikoly ara-pifidianana izany. Ary ny fampiasana volabe ao anatin’ny fampielezan-kevitra dia endrika fividianana ny safidin’ny olona ho an’izay kandida manam-bola. Nohamafisin’Andriamatoa Julien Randriamorasata, ao amin’ny birao politikan’ny TIM fa tsy voalaza ao anatin’ny lalàna fehizoro Faha-2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitondra ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka io resaka famerana ny fandaniam-bolan’ny kandida kanefa tena ilaina mba hisian’ny fifandanjan-kery eo amin’ny samy mpirotsa-kofidiana. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny tokony hangaraharan’ny famatsiam-bolan’ireo kandida tsirairay. Ilaina, noho izany, ny fikitihana indray io lalàna io, mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny fiafaran’ity taona ity, raha ny fanehoan-kevitr’izy ireo. Mbola hisy rahateo ny fivorian’ny Parlemantera amin’ny volana Mey sy amin’ny volana Oktobra amin’ity taona ity. Izany hoe, mbola azo atao ny mikitika, raha ny fanehoan-kevitra hatrany.
Amin’ny maha adihevitra azy, nitondra ny hevitry ny avy aty amin’ny Antoko politika mpanohana ny Fitondrana ankehitriny ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsana no Mpitondra tenin’ny Governemanta ihany koa. Nambarany, fa raha hiresaka fangaraharan’ny fifidianana dia efa miantoka tanteraka izany ny lalàna 2018-008. Notsindriany fa ny fampiharana an’io lalàna io no tokony hatao vaindohan-draharaha, fa tsy voatery hikitika sy hanao lalàna vaovao indray. Efa voafaritra ao anatin’izany ny tokony hanaovan’ny kandida tatitra ara-bola telo volana aorian’ny fifidianana. Voalazan’ny andininy faha-88 ao anatin’io lalàna io, fa raha toa ka misy trangana tsy fanarahan-dalàna ara-bola nataon’ilay kandida dia afaka mitondra ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana mahefa ny Vaomiera misahana ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola ny fiainana ara-politika (CCFVP). Midika izany fa hahafahana miroso amin’ny fifidianana anaty fangaraharana tanteraka io lalàna mifehy ny fifidianana ankehitriny io. Ity farany izay ny Fitondrana teo aloha no namolavola azy, ary efa io no nampiasaina tamin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena 2018. “Ny Fitondrana ankehitriny dia tsy nanana eritreritra ny hikitika lalam-pifidianana mihitsy, mba tsy hisy hiteny indray avy eo hoe nokitihin’izy ireo amin’izay mampety azy ireo ilay lalàna”, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.
Tamin’ny ankapobeny, niombon-kevitra ny amin’ny tokony hampiharana izay voalaza ao anatin’ity lalàna 2018-008 ity ny Filohan’ny CCFVP. Ity farany izay nangataka tamin’ny Fitondram-panjakana ny hanomezana ny tetibola tokony hisitrahan’izy ireo mba hahafahany manao ireo asa rehetra nankinina taminy.
Tompon’ny fanapahan-keviny ny olom-pirenena
Ankoatra ireo, mahakasika ny fisisihan’ny mpanohitra sy ny fiarahamonim-pirenena amin’ny famerana ny tetibola hampiasain’ny kandida, nahitsy ny Filohan’ny Antoko Freedom omaly raha nilaza fa fanamelohana ny mpifidy ho mpandray kolikoly avy hatrany ny filazana izany. Nambarany fa na mampiasa vola sy fanomezana isan-karazany aza ny kandida iray, dia tompon’ny fanapahan-keviny hatrany ny olom-pirenena tsirairay rehefa ao amin’ny trano fisainana mialohan’ny fandatsaham-bato. Ary raha toa ka mbola maro ny olom-pirenena mety ho sanatria ka voavidin’ny vola sy ny fanomezana samihafa ny safidiny, dia ny asa fanentanana nataon’ny fiarahamonim-pirenena mihitsy izany no tsy nahomby. Izany hoe, ny fiarahamonim-pirenena no tsy nahavita ny asany…




