PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA 2023: Kandida i Andry Rajoelina, Hanohy ny asa fampandrosoana

Nanambara ofisialy ny firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona 2023 ity andriamatoa Andry Rajoelina omaly. Naneho ny fahavononany mbola hanohy indray ireo asa fampandrosoana maro efa natomboka tato anatin’ny 4 taona sy 8 volana nitantanany ny tenany. Marihina fa omaly ihany koa no nametrahany ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), tamin’ny alalan’ny Solontenany.

Voavaly omaly ny fanontaniana nipetraka efa fotoana maromaro izay ny mahakasika ny mbola firotsahan-kofidian’andriamatoa Andry Rajoelina indray na tsia amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity. Tamin’ny alalan’ny fihaonambe notanterahin’ireo Antoko Politika sy fikambanana maro, ary mpanao politika maro mpanohana ny Filoha Rajoelina no nanambarany indray ny firotsahan-kofidiany amin’ny fifidianana amin’ny Novambra izao. “Betsaka ireo asa nataontsika ary hotohizana izany. Tsy kilalao na andrakandrana ny fitantanana ny firenena. Fa mila olona manana vina, mpanorina, mpanangana, manana fitiavan-tanindrazana efa voasedra sy mahay mitsinjo ny Malagasy , Tsy afaka ny hihemotra isika ary i Madagasikara tsy maintsy mandroso. Ankinintsika amin’Andriamanitra ihany koa ny zavatra rehetra. Satria tsy misy hahatohitra ny sitrapon’Andriamanitra. Ary raha izy no momba antsika dia tsy hisy hahatohitra antsika”, hoy i Andry Rajoelina. Araka ny tatitra farany omaly dia tafakatra 28 no isan’ireo olona nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny amin’ny HCC.

Sakantsakana

Nanambara i Andry Rajoelina tao anatin’ny lahateniny fa betsaka ireo zavatra nataon’ny olona sasantsasany mba hanakanana azy tsy hirotsa-kofidiana amin’ny fifidianana. Anisan’ny novoizin’ny mpanohitra tokoa mantsy ny resaka zom-pirenena vahiny izay sitrahan’ny Filoha Andry Rajoelina, ka nilazan’izy ireo fa tsy tokony hanana zom-pirenena malagasy intsony ny tenany. Nilaza andriamatoa Andry Rajoelina omaly fa ny Lalàmpanorenana ihany no mamela azy hirotsa-kofidiana. Ary koa, ny vahoaka no tompon-tsafidy amin’izay olona tiany hitondra ny firenena. Betsaka ny fanaratsiana, hoy izy, kanefa izany dia vao maika nampiroborobo ny fitiavana ny Malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana tao anatiny. Izany indrindra no mbola nanolorany tena indray ho an’ny tanindrazana ao anatin’ny dimy taona manaraka.

Tohizina ny asa fampandrosoana

Niaiky ny Filoha Andry Rajoelina fa nisy zavatra tsy vita teto amin’ny firenena tao anatin’izay 4 taona sy 8 volana nitondrany izay. Ary anisany mbola miandry ny ady amin’ny fahantrana, ny famoronana asa sy ny sisa. Tsy azo hodian-tsy hita sy tsy horesahina kosa anefa ireo zava-bita maro be izay mipaka any amin’ny vahoaka any ifotony. Fotoana izay niresahana momba ireo efitranon-tsekoly miisa 4198 vita manerana ny distrika maro. Eo koa ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana maro napetraka,  indrindra ireo hopitaly miisa 28 natsangana nanerana ny Nosy. “Tsy misy afaka ny milaza fa tsy ilaina ny sekoly sy ny hopitaly “, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Ankoatra izay, isan’ireo nisongadina vitan’ny Fitondrana Rajoelina koa ireo tribonaly vaovao miisa 10, toy ny any Sainte Marie. Nifanindran-dalana tamin’izany koa ny fananganana ireo fonja vaovao manarapenitra, izay ho fampanajana ny zon’olombelona.

Raha tsiahivina, ny Filoha Andry Rajoelina dia voasafidin’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana ho Mpanorina lehibe mendrika indrindra aty Afrika, noho ireo fotodrafitrasam-pampandrosoana maro nataon’ny Fitondrana tarihiny. Tsara ho fantatra fa tato anatin’ny Fitondrana Rajoelina koa no vita ny lalana maro teto amin’ny firenena, izay tsy nisy nanamboatra an-taonany maro. Tafiditra ao anatin’izany ny lalam-pirenena RN5A mampitohy an’Ambilobe Vohémar izay nampikaikaika ny olona tokoa teo aloha fa ankehitriny dia efa misosasosa mandeha amin’izany lalana izany. Toy izany ihany koa ny lalam-pirenena faha-44 izay hotokanan’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny faran’ity herinandro ity. Betsaka no tsy nino ny hahavitan’izany lalana izany. Nampahatsiahivin’ny Filoha Andry Rajoelina omaly fa nanao Velirano tamin’ny vahoakan’Ambatondrazaka mihitsy ny tenany ny hamitana an’io lalana io, izay ain-dehiben’ny toekarena, tsy any amin’iny faritra iny ihany fa amin’ny toerana maro, noho i Ambatondrazaka mpamokatra vary. Ho an’ny any Atsimon’ny Nosy dia efa mandeha ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13, raha toa ka efa vita ary notokanan’ny Filoha ny lalam-pirenena faha-9 (RN9), herinandro vitsy lasa izay.

Ekipa mahatoky!

Ben’ny tanàna miisa 1 300 avy amin’ny lafivalon’ny nosy no tonga nanotrona ny fanambarana lehibe nataon’ny Filoha Rajoelina omaly. Hita sy tazana tao amin’ny efitrano malalaky ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena ihany koa ireo olona efa mpiaradia tamin’ny Filoha Rajoelina hatramin’izay, toy ny mpandraharaha Maminiaina Ravatomanga, ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, sy ny sisa maro hafa. Tsy vitsy ihany koa ireo mpiara-mitolona tamin’ny Filoha izay mbola eo anilany hatrany, toy ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Antoko TGV, ny Antoko Freedom tarihin’ny Filohany Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, ny Antoko Hiaraka isika tarihin’ny Jly Camille Vital, sy ny sisa. Amin’ny ankapobeny, mbola mitoetra ho mahatoky amin’ny fanarahan-dia ny Filoha Rajoelina hatrany ireo mpiray lalana aminy hatramin’izay. Nisy ihany koa aza ireo mpisehatra politika izay tany amin’ny firehana hafa no nahitana azy teo aloha kanefa naneho fahavononana hiara-dalana amin’ny Filoha Rajoelina.  

Fermer