
PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA 2023 : Tsy miala amin’i Andry Rajoelina Antananarivo
Rakotra volomboasary izay mpanohana ny Kandidà Andry Rajoelina, laharana fahatelo tao amin’ny Stade Malacam, omaly. Natomboka tamin’ny diabe ny fanokafana ny fampielezan-kevitra eto Analamanga, niainga teo Malacam Antanimena, tonga hatrany Andravoahangy, Mahavoky, Besarety… Ankoatra ny hiakiakan’ny mpomba ny kandidà laharana fahatelo fa « 1ère tour » dia vita. Nampiseho ny tanjany ny Volomboasary ary tsy miala amin’i Andry Rajoelina ny vahoakan’ Antananarivo…
Rakotra volomboasary izay mpanohana ny Kandidà Andry Rajoelina, laharana fahatelo tao amin’ny Stade Malacam, omaly. Natomboka tamin’ny diabe ny fanokafana ny fampielezan-kevitra eto Analamanga, niainga teo Malacam Antanimena, tonga hatrany Andravoahangy, Mahavoky, Besarety… Ankoatra ny hiakiakan’ny mpomba ny kandidà laharana fahatelo fa « 1ère tour » dia vita. Nampiseho ny tanjany ny Volomboasary ary tsy miala amin’i Andry Rajoelina ny vahoakan’ Antananarivo. Nambaran’ny kandidà Andry Rajoelina fa tia azy ny vahoakan’Antananarivo. Maro ny zavatra nandrasana taminareo, ary tsapako ny fanehoam-pitiavana nasehonareo tamiko. Tsy nohadinoany ny nisaotra ireo fikambanana, antoko politika, olon-tsotra, sy ny maro tsy voatanisa. Nasehony kandidà laharana fahatelo fa tia ny vahoaka malagasy koa izy. « Efa ela tsy nisy famoriam-bahoaka betsaka toa izao. Tsy ny mihorakoraka any anaty Facebook no manana ny marina, fa rehefa asaehon’ny vahoaka ny fitiavany dia mipoitra tahaka izao. Nasehon’Antananarivo fa miaraka aminy i Andry Rajoelina », hoy izy. Nasongadiny fa mila mifampitsinjo, izay no antony ilana fandrosoana. Isika tsy mila korontana, antony iray nanaovana izao diabe izao ny andro alahady. Tsy manembantsembana tsena, tsy manembantsembana ny fiharian’ny olona. Voaporofontsika androany fa tsy maintsy mandresy isika ary i Madagasikara tsy maintsy mandroso. Notsiahiviny ny momba ny lalàmpanorenana fa isaka ny dimy taona dia miroso amin’ny fifidianana ary misafidy izay olona hitondra azy ky vahoaka malagasy. Ny vahoaka dia mahatsapa ireo manasoa vahoaka sy ny tia tanindrazana. Ny an’ny hafa mbola zavatra hafa no tadiavina dia ny fanaovana tetezamita. Ny ataon-dry zalahy io dia mikorontana izy ary mitady fatratra ny tetezamita. Tsy hisy an’izany intsony eto amin’ny Firenena.
Hijery ny sosialim-bahoaka…
Nanteriny fa ny vahoaka no masi-mandidy. Horakoraka tsy nijanona no napetraky ny vahoaka malagasy fa « 1ère tour dia vita ». Tsy niolaka ny kandidà Andry Rajoelina nilaza fa tsy ny vitsy an’isa mitabataba no manana ny marina fa ny vahoaka maro anisa miaraka amin’i Andry Rajoelina eto Madagasikara. Efa niteny izy fa hanolo-tena ho an’i Madagasikara ary vonona ny hijery ny sosialim-bahoaka sy hanampy ny tanora. Nasongadiny fa tsy ampy ny sekoly, antony nanaovana sekoly marobe manerana an’i Madagasikara. Vitsy loatra ny karazana fampandrosoana ka antony nanaovana lalana, kianja, hopitaly sy ny maro hafa. Misy zavatra iray tsy maintsy tanterahiko, ny hanampy anareo izay sahirana, hanampy anareo izay tsy an’asa. Vonona hanohana anareo amin’ny lafiny rehetra aho ary izay no ataoko ao anatin’ny dimy taona manaraka. Ao anatin’ny sarotra no tena ahafantarana ny tena namana hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo. Notsiahiviny ny zava-niseho tamin’ireny covid ireny. Fa ny marary anareo, hoy izy, dia marary ahy. Ianareo lazaina fa kely sy bitika dia hanakaiky bebe kokoa anareo aho ary vonona ny hanampy anareo amin’ny lafiny rehetra amin’ny 5 taona manaraka. Fitiavana Firenena sy tanindrazana izany.
Mila Filoha manampy ny tanora…
Nasongadiny ny zava- bita momba ny resaka « Jeux des Iles » ireny. Maro ireo manatsatso fa tsy ho vita izany ary nilaza fa 2 % ny fanantenana hahavita izany. Voaporofo va vitantsika izany 90 % izay ho antsika raha 2 % homentsika azy. Miray fo amiko ireo tanora ary ampiako. Amin’ny fifidianana Filoham-pirenena dia horaofintsika daholo ny amboara manerana an’i Madagasikara. Rehefa mandresy dia i Madagasikara tsy maintsy mandroso hoy ny kandidà Volomboasary naneho ny fahavononany.
80 % no omen’i Fianarantsoa…
Rehefa avy nitety an’Antsiranana, Ambilobe, Ambanja sy tanàna maro ao anatin’ny Faritra Diana sy Sofia (Port Berger) any amin’iny Faritra Avaratry ny Nosy ny Kandidà Andry Rajoelina dia tao Fianarantsoa Renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony sady Renivohitry Betsileo izy afakomaly no nanohy ny fitetezam-paritra. Tao amin’ny Kianjan’Ampasambazaha no nitafany ny vahoakan’Fianarantsoa. Feno hipoka sady rakotra loko volomboasary ny kianja. Teo am-panombohana ny lanonana dia noraisina tamin’ny fomba fanajan’ny foko Betsileo vahiny ny fandraisan’i Fianarantsoa ny Kandida laharana fahatelo, Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny ary ny zanany lahy iray. Natoloran’ny Raiamandreny nosalorany ny lamba sy ny tehina mampiavaka ny Betsileo. Noporofoin’i Madagasikara fa tia ny Prezidà Andry Rajoelina ny vahoaka malagasy. Fa androany kosa, hatramin’ny naha Fianarantsoa dia noporofoin’i Fianarantsoa fa tia an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’i Fianarantsoa, hoy izy. Niala avy any amin’ny seranam-piaramanidina dia tanora marobe, mihazakazaka nandeha tongotra sady nikiakiaka noho ny fitiavana no nanaraka ny kortezy hatreto Ampasambazaha. Misaotra anareo aho satria tsapako fa rehefa hanaovana soa i Fianarantsoa dia mamaly soa. Manam-pitia ary manam-pitiavana ary ianareo koa dia tia an’i Andry Rajoelina. « Fianarantsoa efa « paré » i Andry Rajoelina efa « décidé ». Atao manakoako ho re hatrany Antananarivo any. Ry zareo matahotra fifidianana dia mihodinkodina ao Antananarivo ao fotsiny « , hoy ny Kandida laharana fahatelo. Raha izao fihetsika asehon’ny vahoakan’i Fianarantsoa izao dia marina ny filazanareo sy hikiakanareo fa : » 1er tour de vita ». Raha fifidianana no resahina dia tsy mivadibadika i Fianarantsoa fa réhefa tia an’i Andry Rajoelina dia miaraka hatramin’ny farany manavotra ny Firenena. Fifidianana maro no nataontsika teto. Natoky ahy ianareo tamin’ny fifidianana natao teto Fianarantsoa. Nandresy isika. Ny vato azoko teto dia isaorako anareo fa 69% no nomen’i Fianarantsoa tamin’ny 2018. Izay no hiasako mafy. Nanomboka asa isika tamin’izany, fantatro fa i Fianarantsoa dia mahita fa tsy mitampina ny masony, mahare ny sofina ary afaka miteny ny vava ary afaka mandatsa-bato ho an’i Andry Rajoelina. Tsy hoe akory manana ny rariny ry zareo dia mitabataba. Ny feon’i Fianarantsoa dia feon’ny fandresena. Isika dia tsy maintsy mandresy. Nisy fifidianana teto natao. Fifidianana Ben’ny tanàna. Nanome toky ianareo dia nandresy isika. Nisy fifidianana Depiote teto. Miisa roa no toerana. Noho ny fahatokisanareo ahy dia lasantsika daholo ny toerana roa. Misaotra anareo. Amin’ity indray mitoraka ity kosa, asehontsika an’i Madagasikara manontolo fa raha 69 % tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 2018. Mino sy matoky Aho fa 80% no omen’i Fianarantsoa an’i Andry Rajoelina.
Nasongadiny fa tsy mbola nisy fandraisana, firaisan-kina, fanehoam-pitiavana ohatra izao nasehoanareo Fianarantsoa izao teto. Tsapako ny fitiavanareo ahy. Na ny tanora, Na ny vehivavy, na lehilahy …tia ahy ianareo. Te-hiteny aminareo koa aho fa izaho tena tia anareo. Ianareo tsy miala amiko ary izaho koa tsy hamadika anareo. Hiaraka aminareo hatramin’ny farany aho hampandroso an’i Fianarantsoa, hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo tsy niolaka…Simba ny « tapis synthétique » an’ity kianja eto Ampasambazaha ity ary tsy afaka milalao baolina ny ankizy eto. Isika anefa tia baolina kitra sy fanatanjahantena. Talohan’ny nametrahako fialana dia efa nosoniaviko tao amin’ny Prezidansa tao fa tsy maintsy soloina kianja synthétique tahaka ny kianja rehetra ity kianja ity. Amin’ny herinandro dia hanomboka izany.
Tokantrano 20.000 no nisitraka…
Notdiahiviny fa tonga tao Fianarantsoa izy, tamin’ny Covid sy ny rivodoza nanome tosika fameno. Tokantrano mihoatra ny 20.000 no nisitraka. Isan’izany Andrainjato Atsimo, Avaratra, Lalazana, Tanàna ambony rehetra tany…nomena fanomezana avokoa ny olona sy tokantrano rehetra.
Rehefa nandeha iny aho dia nisy Raiamandreny nanatona ahy niresaka tamiko hoe : » Andriamatoa Filoha, misaotra anao aho fa ianao no nanavotra sy teo anilanay tamin’ny andro sarotra ». Raha mbola i Andry Rajoelina no Andry Rajoelina, hoy izy, dia tsy hanary ny vahoakan’i Fianarantsoa na amin’ny mora na amin’ny sarotra satria izay ilay fitiavana. Betsaka ezaka sy ny fotodrafitrasa natao. Raha hiditra amin’ny resaka fifidianana isika. Ny datin’ny 14 Oktobra no nandalovako teto farany. Ny 14 Oktobra dia manambara ampahibemaso ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Zava-dehibe mahakasika ny fiandrianam-pirenena izany satria ao anatin’ny sata Repoblikanina. Ao anaty lalàna dia hoe : » ao anatin’ny 5 taona dia ny vahoaka no misafidy ny Filoham-pirenena iray ». Tonga izao ny fotoana. Tsy sahy mifaninana ry zalahy fa mihodinkodina ao Antananarivo ao. Milaza ry zareo hoe : omeo toerana izahay mba hanehoanay hevitra. Afaka tonga eto Fianarantsoa izy dia mameno an’ity kianja ity raha mahafeno ? Ao Antananarivo aza izy sady tsy mahafeno no tsy mahatarika olona. Isika manakaiky vahoaka, isika manasoa vahoaka. Izay no ilazako anareo hoe : fantatry ry zalahy fa ny asa tsy natao hatramin’izay nataontsika tao anatin’izay 5 taona izay. Na dia voasakantsakana tsy niasa 2 taona aza isika noho ny valanaretina Covid dia marobe ny asa nataontsika ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
Fotodrafitrasa maro…
Hatramin’izay naha Fianarantsoa dia tsy mbola nisy fotodrafitrasa betsaka nataontsika mihoatra an’izao teto Fianarantsoa. Isan’ izany ny tao ny Hôtel de Finance goavana ampitan’i Semipi. Efa vita ary ao daholo ny fikirakirana ny asam-panjakana rehetra. Tsy mbola nisy birao goavana ho an’ny Mpiasam-panjakana toy izao teto Fianarantsoa. Vitantsika koa ny nanamboatra ny vitan’ny Prefektiora efa voatokana raha tsy nanana birao ny Prefektiora teo aloha. Na teo aza ny valanaretina Covid na sahirana aza isika dia betsaka ny fotodrafitrasa natao. Nanao ny biraon’ny Polisim-pirenena na ny DRSP. Izany asa izany dia ao anatin’ny fandriampahalemana manakaiky vahoaka.
Miresaka tsy fandriam-pahalemana isika. Nanjaka taty Matsiatra Ambony ny asan-dahalo. Rehfa niady tamin’ny asan-dahalo isika dia afaka miteny ankehitriny fa nihena betsaka ny asan-dahalo. Isan’izany ny nahavaky ny any Mahazoarivo, Isandra, Ikalamavony. Nametraka » détachement militaire spécial » tao Ambalakindresy isika. Efa notokanana nahafahantsika nandresy ny asan-dahalo. Rehefa nilaina ny helikoptera dia nalefa tany. Betsaka ny asan-dahalo foana tao anatin’izany. Izany no paik’ady napetrantsika mba hiainan’ny vahoaka ao anatin’ny filaminana.
Nisy fampanantenana nolazaiko. Isan’izany ilay hoe : mba manana Coliseum i Fianarantsoa. Raha nahazo Coliseum Antananarivo dia tokony homena koa i Fianarantsoa. Efa manomboka ny asa efa mandeha ny « terrassement » manomboka ny asa. Rehefa vita io Coliseum io dia tsy olona hafa fa i Andry Rajoelina ihany no hitokana an’io eto Fianarantsoa. Sady mandresy isika no mitokana izany Coliseum izany. Mila Filoham-pirenena mampandroso an’i Madagasikara, mila Filoha hampamirapiratra an’i Fianarantsoa sy handroso miaraka amin’ny kandidà laharana fahatelo.
Rado Harivelo




