PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : Mitsangana ny Vovonana UPAR, manohana an’i Andry Rajoelina
Tafatsangana omaly teny amin’ny CCI Ivato, ny Vovonana Upar manahana ary vonona ny hampandany ny kandidà Andry Rajoelina, amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ny 09 novambra hoavy izao. Olom-boafidy, ben’ny Tanàna, loholona, filohana fikambanana, solombavambahoaka miisa 50 no mandrafitra ity Vovonana Upar ity vonona hametraka ny kandidà Andry Rajoelina hanohy ny ezaka vita…
Izay be no basy ary vonona hanohana ny kandidà Andry Rajoelina. Tafatsangana omaly teny amin’ny CCI Ivato, ny Vovonana Upar manahana ary vonona ny hampandany ny kandidà Andry Rajoelina, amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ny 09 novambra hoavy izao. Araka izany, ny olom-boafidy avy amin’ny Antenimerampirenena sy ny Antenimierandoholona, ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina monisipaly, olobe sy raiamandreny ary ireo mpikambana amin’ny fikambanana maro samihafa.
Nahatsapa izy ireo fa sarotra ny niainana nandritra ny dimy taona lasa noho ny toe-draharaha tamin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy.ny Covid-19, ady any Ukraine sy ny fiantraikany…sy ny olana eto an-tanindrazana. Nahatsapa izy ireo fa noho ireo tranga ireo, ny fitondrana notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina dia niatrika izany olana izany teto amin’ny Firenena. Noho ny fahatsapana fa betsaka koa ireo fampanantenana tanteraka, toy ny fananganana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka eo amin’ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana fototra sy ny fampianarana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina … sns. Ny fahamarinan-toerana teo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-politika no hany lalan-tokana mitondra mankamin’ny fisondrotana sy fiarenan’ny « Tanin-janaka », hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina. Izy ireo izay nahatsapa fa ny fihemoran-dava tsy hampandroso velively. Noho ireo antony rehetra ireo, resy lahatra izy ireo, izay tonga marobe teny amin’ny CCI Ivato fa ny kandidà Andry Rajoelina no maneho ny fahamendrehana arovana. Izy no olona voahosotra hisolo tena ny Firenena sy hanohy amin’ny zava-misy ankehitriny. Ny ezaka efa vita tao anatin’ny dimy taona lasa. Mino ny Vovonana Upar fa ny kandidà Andry Rajoelina laharana fahatelo no manana fahamendrehana, traikefa, haitarika ary vina tena ilaina hitondrana ny Firenena ho amin’ny hoavy mamiratra, satria i « Madagasikara tsy maintsy mandroso ».
Hiara-dalana hifanome tanana…
Noho izany, nisafidy ny hametraka vovonana antsoina hoe « Fivondronan’ny Mpomba an’i Andry Rajoelina » na « Union Pro Andry Rajoelina » (UPAR), izy ireo satria nahomby nampiharihary nandritra ny fotoam-piasany ny fahatsapana ny fanamby tsy maintsy natrehin’ny Firenena. « Manao antso avo amin’ny mpiray tanindrazana rehetra, ireo mpikambana anaty antoko, ireo fikambanana sy olom-pirenena tsotra izy ireo, na eto na any ivelany (ireo Malagasy am-pielezana), mba hiara-dalana aminy, hifanome tanana sy hiara-hiasa mahomby ho Fampandrosoana ny firenena iombonana ». Ny fiombonana no hahafahana manangana hoavy tsara kokoa ho an’ny « Taninjanaka iombonana.
Ny solontenan’ireo solombavambahoaka miisa 50 ireo, tamin’ny alalan’ny depiote Milavonjy Philobert dia nampita hafatra mafonja fa vonona ny hampandany ny kandidà laharana fahatelo. « Niditra tao amin’ny Vovonana Upar Aho satria nahita fa maro ireo mpitondra niaraka niasa tamiko. Mahita aho anefa fa ny Filoha Andry Rajoelina dia haingana be ny fotodrafitrasa ataony. Maniry ohatra ny anana ny asa nataony ho an’ny Faritra Androy sy Anosy. Maro mpiteny momba ny ranon’i Efaho, izay miteraka resabe. Efa andalana ny fitarihana izany satria ho tonga ao Toliara ny fantsona mirefy 11km », hoy izy. Andalam-panamboarana izany fantsona mitondra rano izany.
Tsy hahita fahombiazana ny mpivadika
Andalam-panamboarana ny Rn13. Nahitsy koa ny filazany fa izy dia nihodina manohana ny Filoha Andry Rajoelina. » Ny mpivadika dia ireo niara-nihinana tao, fa rehefa tonga fotoan-tsarotra dia lasa mpanohitra. Ratsy ny mpivadika », hoy izy. Misy ireo olona nitondra anarana IRD kanefa dia sahy manaratsy izany sady manohitra. Tsy ahita fahombiazana ny mpivadika. « Mandria ivohon’ny vato ianao Andry Rajoelina fa izahay dia angady lava lela ka hanala ireo ahidratsy te haniry eto amin’ny Firenena. Vonona hampandany ny Filoha izahay amin’ny Distrika misy anay tsirairay. Tanjona dia i Madagasikara tsy maintsy mandroso ». hoy hatrany ny solontenan’ny olom-boafidy rehetra.
Rado Harivelo.



