PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA KAOMINALY – ANTOKO FREEDOM: Manana kandidà 19 ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro
Mazava ny fitsipi-dalao eo anivon’ny Vovonana “Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR” nanomboka tany amin’ny taona 2019, fa ireo Antoko politika mpikambana ao anatin’ny Vovonana dia afaka manolotra kandidà amin’ny anaran’ny antoko manokana any amin’ny toerana tsy tanàn-dehibe izay ananan’ny Vovonana kandidà, toa an’Antananarivo, NosyBe, Antsirabe, ireo renivohi-paritany. Manatanteraka izany ny Antoko Freedom ankehitriny fa tsy midika ho fisitahana amin’ny Vovonana, na amin’ny Filohan’ny Repoblika.
Omaly araka izany no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo Kandidàn’ny Antoko Freedom ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Miisa 19 izy ireo, araka ny fampahafantarana nataon’ny Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Notsindrian’ny Filohan’ny Antoko Freedom fa olona vonona hiasa ho an’ny vahoaka ireo natolotra ireo, ary matotra ara-poto-kevitra. Antso avo nataony kosa ny tsy tokony hanaovana antsojay sy fanilikilihana ireo kandidà Freedom ireo, indrindra avy amin’ireo samy ao anatin’ny Fitondrana.
Tsara ho fantatra fa isan’ny ananan’ny Antoko Freedom Kandidà ny ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka, suburbaine, Ambohiboromanga, Ambohijanahary, Ambatomainty, Amparafaravola, Ramoravelona Talaha, Amboasary Gare, Ambohidronono, Ampasipotsy Gare, Belavabary, Bembary, Mangarivotra Beparasy, Ampasimandinika, Sabotsy Anjiro, Anosibe, Ambohibary, Andaingo Gare, ary Morarano Gare.




