PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA KAOMINALY: Manana kandidà avokoa ireo kaominina 1 695 manerana ny Nosy

Fantatra taorian’ny fampitam-baovao nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly fa manana kandidà avokoa ireo Kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara, ho an’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina ho avy izao. Ny 08 Oktobra 2024 kosa no hivoaka ny lisitra ofisialin’ireo Kandidà afaka hihazakazaka amin’izany fifidianana izany.

Manana hatramin’ny alahady 29 septambra ny Rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidiana isaky ny distrika (OVEC), handinihana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana voarain’izy ireo sy hanapahany hevitra. Ny alatsinainy30 septambra araka izany izy ireo no tsy maintsy hamoaka ny lisitra vonjimaikan’ny kandidà isaky ny kaominina ao aminy, araka ny fanazavana nomen’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) foibe.

Mbola tsy misy ny antontanisa raikitra azon’ny Ceni zaraina, mialoha io famoahan’ny OVEC ny lisitra vonjimaikan’ny mpilatsaka hofidiana io, araka ny fanazavana. Fantatra kosa fa manana kandidà avokoa ireo Kaominina 1 695 manerana an’i Madagasikara. 157 amin’ireo Kaominina ireo dia filatsahan-kofidiana avy  amin’ny lisitra tokana.

Tsiahivina hatrany fa manana 48ora ny lisitra mpilatsaka hofidiana rehetra, hitondra fitarainana eny amin’ny Ceni foibe, raha toa ka misy ny tsy fahafaham-pon’izy ireo amin’izay fanapahan-kevitry ny OVEC. Manana 48ora fanampiny ankoatra izay ihany koa izy ireo hampakàrana ny raharaha eny amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny Fanjakana raha tsy afa-po amin’ny fanapahan’ny CENI.

Ny talata 8 oktobra no hamoaka ny lisitra ofisialin’ny lisitra mpilatsaka hofidiana ny CENI, ary hiroso avy hatrany amin’ny fisarihana ny laharan’izy ireo ao anaty bileta tokana ny isaky ny distrika ny alarobia 9 oktobra.

Ny Fanoratana.

Fermer