Politika
FIFIDIANANA LOHOLONA: 13 930 ireo bileta tokana atonta
Taorian’ny fahavitan’ny fisarihana ny laharan’ireo kandida amin’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara, miroso amin’ny fanomanana ny fanontana ireo bileta tokana indray ny avy eo anivon’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Araka ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Fano Rakotondrazaka, efa samy nankatoa ny “matrice”-n’ny bileta tokana avokoa ireo solontenan’ny Kandida tonga tamin’ny fisarihana ny laharana. Noho izany, hahatratra 13930 no fitambaran’ireo bileta tokana atonta amin’ity fifidianana Loholona ity, hatramin’ny 24 Novambra 2020 ho avy izao. Efa tafiditra ao anatin’ireo ny ampahana bileta tokana ampiasaina na fiandry raha sendra misy olana na trangan-javatra sendra miseho mandritra ny fotoam-pifidianana. Etsy ankilany, efa andalam-pikirakirana tanteraka ny lisitr’ireo mpifidy vaventy koa ankehitriny ny avy eo anivon’ny Ceni. Mahakasika izay indrindra, nahatratra 255 ireo tranga voakasiky ny fanitsiana, niainga tamin’ny didy navoakan’ny filankevi-panjakana, sy ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana. Misy ihany koa ny fanitsiana izay tsy maintsy nataon’ny Ceni, amin’ireo mety ho trangana fahafatesana misy eo amin’ireo mpifidy vaventy. Ho an’ny mpanolotsaina, raha sendra misy trangana fahafatesana, dia misy ny mpisolo toerana, izay iandrasana fanapahana avy amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, ny hahafahana mampiditra azy ireo anaty lisitra. Ankehitriny, efa afaka manamarina ny fisoratany anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, ireo mpifidy vaventy any anivon’ireo distrika izay misy azy. Efa mihetsika avokoa ireo rantsamangaikan’ny Ceni isaky ny distrika mba hanamora ny fanatonan’ny mpifidy vaventy.
« Raharahan’ny rehetra ny fifidianana ».
Nisy ny « Sehatra hifampidinihana » nokarakarain’ny Ceni omaly tetsy Alarobia. Fotoana izay nampahatsiahivan’ny Ceni fa « Raharahan’ny rehetra ny fifidianana ». “Ny Ceni dia tompon’andraikitra, satria napetraky ny Lalàm-panorenana ho lohalaharana, eo amin’ny fikarakarana rehetra ao anatin’ny zotram-pifidianana, fa aoka tsy adino, fa manana andraikitra ho fampanjariana ny fifidianana ihany koa ireo mpiaramiombon’antoka rehetra, voatonona amin’izany ny fiaraha-monim-pirenena, ireo antoko politika, ny vahoaka mpifidy, ary ny fitondram-panjakana”, hoy ny Filohan’ny Ceni, Hery Rakotomanana. Ny lalàna no mamaritra ny andraikitry ny tsirairay amin’izany, hoy izy. Araka izany, ilaina ny fanakianana mba handrosoana hevitra, fa ilaina bebe kokoa ny fandraisana andraikitra. Noraisiny ho ohatra ny fikarakarana ny lisi-pifidianana izay anisany nahabe resaka teto amintsika. Tsy miala amin’ny maha tompon’andraikitra azy ny Ceni, araka ny nambarany, fa tompon’andraikitra ihany koa eo anilany, ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Ary, mba ho fanatsarana tanteraka izany lisitra izany aza, dia tokony misy fanapahan-kevitra ho raisin’ny mpitondra fanjakana, mba ho tantanina amin’ny fenitra tsaratsara kokoa ny lisi-pifidianana. «Raharahan’ny rehetra ny fifidianana », hoy ny Ceni. Antony hisokafana amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra, ao anaty sehatra ifampidinihana tahaka izay natao omaly, mba ho fampahafantarana ny zava-misy, hifanakalozan-kevitra, handraisana ireo fanakianana, ho fanatsarana ny zotrampifidianana. Ho an’ny omaly, manodidina ny fifidianana Loholona ny fampahafantarana izay atao.




