Politika
FIFIDIANANA LOHOLONA: Efa tonga isaky ny distrika ireo bileta tokana
Mizotra amin’ny antsakany sy andavany ny fanomanan’I Madagasikara ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra ho avy izao. Amin’ny ankapobeny, efa voalamina avokoa ireo pitsopitsony ara-teknika rehetra. Efa tonga isaky ny distrika ihany koa ireo bileta tokana hanatanterahana izany fifidianana izany ankehitriny. Izany hoe, ny andron’ny zoma izao sisa no andrasana.
Nanatanteraka fivoriambe ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, omaly. Fotoana izay nanaovana tombana ny firoson’ny fanomanana amin’ny fifidianana Loholon’I Madagasikara amin’ny zoma izao. Araka ny fanazavana, noho izany, efa tonga eny anivon’ny renivohitry ny Distrika avokoa amin’izao fotoana izao ireo bileta tokana sy ireo kojakoja rehetra ilaina amin’ny fifidianana, toy ny fitanana an-tsoratra, ny antontan-taratasy, fanisana ny vato. Manomboka anio ihany koa, hiparitaka eny anivon’ny Faritra sy ny Faritany ireo kaomiseran’ny Ceni hanaramaso ny fizotry ny fifidianana amin’ny 11 Desambra. Midika izany fa tsy misy ny fikatsoana hatreto amin’ny fikarakarana ity fifidianana Loholona ity. Amin’izao roa andro mialohan’ny fiafaran’ny fampielezankevitra izao, tsikaritra ho samy efa manao ny ezaka rehetra handresena lahatra ireo mpifidy vaventy ireo mpilatsaka ho fidiana isam-paritany. Izany hoe, tsy misy ny olana. Raha tsiahivina, hifarana rahampitso amin’ny sasakalina ny fampielezankevitra. Ny 10 Desambra kosa dia natao ho andro hahanginana na ilay antsoina hoe “silence électorale”.
Andro fiasana sy fianarana
“Natao andro hiasana sy hianarana tahaka ny andavanandro ihany ny andron’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara ny 11 Desambra izao”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Fano Rakotondrazaka. Izany hoe, miasa avokoa ny mpiasa, mianatra avokoa ny mpianatra. Mizotra miaraka amin’ny asa andavanandro ihany koa ny fifidianana. Anisany fepetra noraisin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana rahateo, tamin’ity senatorialy ity ny tsy fanaovana ny birao fandatsaham-bato eny anivon’ireo toeram-pianarana sy sekoly. Araka izany, any amin’ny biraon’ny rantsamangaikan’ny Ceni, any amin’ny renivohitry ny Distrika irery ihany no misy ny birao fandatsaham-bato. “Ho an’izay biraon’ny rantsamangaikan’ny Ceni izay heverina fa tsy afaka mandray ny fifidianana no hitadiavana vahaolana hafa mba tsy hisian’ny fifanelingelenana eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina sy ny fanatanterahana ny fifidianana”, hoy hatrany ny fanazavana.
Mpanara-maso fifidianana 40
Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, mpanara-maso ny fifidianana miisa 40 no nahazo fankatoavana teo anivon’ny Ceni. Misy amin’izy ireo no hahasahana ny birao fandatsaham-bato manerana ny Nosy. Misy kosa ireo izay mijanona amin’ny fari-pifidianana ary misy ny misafidy ny hanaramaso amin’ny birao fandatsaham-bato vitsivitsy, hoy ny fanazavana. Tetsy ankilany, anisany fepetra takiana amin’ireo lisitry ny kandida ny fanolorana anarana ho mpitam-bola amin’ny fampielezankevitra tamin’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara amin’ny 11 Desambra izao. Hatramin’ny faran’ny herinandro, mbola lisitra fito amin’ny lisitra 14 no nanao izany, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Ceni. Marihana fa eny anivon’ny Ceni ihany no hametrahana ny antontan-taratasy fanendrena ny ho mpitam-bolan’ny fampielezankevitra. Ankoatra izay, ny lisitra kandida dia afaka manendry solontena ho mpikambana ao amin’ilay « formation non permanente » ao amin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana. Izany hoe, ho mpikambana toy ny mpikambana ao amin’ny Ceni, miara-mivory amin’ny birao maharitry ny Ceni ao anatin’ny fivoriambe. Hatreto, lisitra kandida miisa sivy amin’ny 14 manerana ny Nosy no efa nanendry io solontena io. Manoloana ny fisian’ny lisitra kandida sasany milaza fa hiala an-daharana amin’ny fifidianana senatorialy, nilaza ny Ceni fa tsy azo atao ny mitsoaka an-daharana amin’ireo kandida efa nankatoavina, satria efa tafiditra ao anaty bileta tokana ny anarana. Tsy mamela io fitsoahana an-daharana io rahateo ny lalàna manan-kery amin’izao fotoana izao.




