PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA LOHOLONA: Fianarantsoa ihany no mbola misy kandida hatramin’ny omaly
Trangan-javatra efa mahazatra ny tsy fandehanan’ireo ho kandida aty amin’ny fiandohan’ny fe-potoana hahafahana mandrotsaka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, raha tarafina amin’ireo fifidianana rehetra efa natrehitsika teto aloha, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Fano Rakotondrazaka, omaly. Nambarany fa saika efa aty amin’ny manakaiky ny fiafaran’ny fe-potoana fandraisana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana hatrany vao tonga ny kandida na ny lisitra kandida, izay solon’ny “mandataire” na ny mpisolotena azy. Hatreto izany, mahakasika ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra, mbola ao amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa ihany no mbola nahitana fandraisana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, manerana ny Nosy. Izy ireo izay efa nahazo ny “certficat d’enregistrement” na ny fanamarinana fa voaray ary ekena ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’ny lisitra kandida izay avy amin’ny IRD. Marihana fa isaky ny renivohi-paritany no misy ny Ovec na ny rafitra mpanamarina sy mpirakitra an-tsoratra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Ho an’ny faritany dimy hafa mbola tsy misy kandida.
Manana 72ora ny Ovec
Aorian’ny fandraisan’ny OVEC ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana dia manana telo andro izy ireo hanomezana valinteny ny kandida na ny lisitry ny kandida. Izany hoe, na lavina na ekena ny filatsahan-kofidianan’ilay kandida. Raha nekena ny filatsahan-kofidiana dia mahazo ny “Certificat d’enregistrement” ny kandida. Raha nolavina kosa izany, azon’ny kandida atao ny mitondra ny raharaha eo amin’ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (Ceni) foibe. Izany hoe, manangataka ny Ceni mba hamerina hijery indray ny taratasy filatsahan-kofidiana. Raha toa ka mbola lavin’ny Ceni izany, dia mbola afaka mitondra ny raharaha any amin’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, mba mangataka ny hampidirana azy amin’ny lisitry ny kandida hifaninana amin’ny fifidianana, ilay filatsahan-kofidiana.Tsara ho fantatra fa hifarana amin’ny 12 Oktobra ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho Loholona, raha niatomboka ny 28 Septambra lasa teo.




