PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA LOHOLONA: Ho fantatra ny 07 Janoary izao ny vokatra ofisialy
15 andro no hananan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, aorian’ny famoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika, hamoahana ny vokatra ofisialin’ny Fifidianana Loholon’I Madagasikara, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Ceni. Araka izany, satria tamin’ny 23 Desambra teo no namoahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ny vokatra vonjimaika, dia ny 07 Janoary izao izany no daty hahafantarana amin’ny fomba ofisialy ireo izay hiasa indray etsy amin’ny lapa maintson’Anosikely. Tsara ho fantatra fa ireo Loholona ho lany ara-pomba ofisialy manaraka eo ireo no Loholona lany fanindroany tato anatin’ity Repoblika fahefatra ity. Zava-dehibe izany satria tsy vitan’ny hahazo olom-baovao fotsiny ihany ny Lapan’ny Antenimierandoholona, fa hiova firafitra ihany koa satria hihena ny isan’ireo Senatera hiasa eny an-toerana, izay ho lasa 18 raha toa ka 63 teo aloha. Araka izany, ny 07 Janoary izao no ho fantatra ireo Loholona 12 lany, nivoaka tamin’ny fifidianana farany teo. Ny Filohan’ny Repoblika kosa no hanendry ireo Loholona enina ambiny, andro vitsy aorian’ny fivoahan’ny vokatra ofisialy. Marihana fa ny fiandohan’ny volana Febroary izao no tena lany tanteraka ny fe-potoam-piasan’ireo Loholona am-perinasa ankehitriny. Izany hoe, miankina amin’izay fanapahana havoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fotoana handraisan’ireo Loholona vaovao ny asany.



