PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA LOHOLONA : Nahemotra ny daty fandrotsahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina
Nanatanteraka fandaharana manokana omaly, ny filohan’ny Vaomiera Nasionaly mahaleo tena misahana ny fifidianana, Dama Arsène, momba ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Nivoitra nandritra ny tafa nataony, ny momba ny resaka fanatanterahana ny fifidianana, hiseho eto amin’ny tany sy ny Firenena. Nambarany fa tokony ho ny 9 oktobra izao, no andraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo mirotsa-kofidina loholona. Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena, dia nanatanteraka fivoriana ireo birao maharitra eo anivon’ny Ceni afakomaly, ka nanapa-kevitra ny amin’ny fanemorana ny daty fandrotsahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho loholona. Ny teti-bola mbola tsy eo am-pelatanan’ny Ceni hoenti-miatrika ny fifidianana ity, raha ny fanazavana. Mahakasika ireo kaominina mbola tsy manana ben’ny Tanàna, izay ho mpifidy vaventy, dia nambaran’ny filohan’ny Vaomiera nasionaly mahaleo tena misahana ny fifidianana, Dama Arsène fa « dia anjaran’ny Fitsarana ny mamoaka didy. Mandra-pahatonga ny fotoana hanaovana ny fifidianana, dia ampidirin’ny Ceni ho isan’ny mpifidy vaventy izy ireo, aorian’ny didy mivoaka ».
Nasongadin’ny filohan’ny Ceni, Dama Arsène hatrany « fa efa vonona ny Ceni, amin’ny fanomanana ny fifidianana, na eo amin’ny lafiny teknika na ny lafiny rehetra mihitsy, saingy ny olana dia ny lafiny tetibola, izay tsy eo am-pelatanana ». Momba ny resaka lalam-pifidianana, miombon-kevitra amin’ny fanitsiana sy ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana ny Ceni ary nanome toky ny vahoaka malagasy ny amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana, miainga avy amin’ny fandravonana ireo tolo-kevitra nataon’ireo mpisehatra rehetra momba ny fifidianana. Soso-kevitra naroson’ny Ceni, araka izany, ny filazana fa ny famaritana ny anto-bola sy ny tetiandrom-pifidianana, dia tokony ho izy ireo no mamaritra azy.
Fampihavanana sy fitoniana…
Nisongadina nandritra ny tafa manokana nataon’ny filohan’ny Ceni Dama Arsène koa, ny amin’ny tokony hanokafana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy mandavantaona. Mahakasika ny fanavaozana ny rafitry ny Ceni, dia nanambara ny filohany, fa afaka misokatra tsara ny adihevitra, rehefa miova io lalàm-pifidianana io. Tsy misakana mihitsy ny amin’ny tokony hisokafana amin’ny antoko mpanohitra, izay mila atao mazava tsara hoe, iza no tena mpanohitra, tokony hiditra anatin’ny rafitra Ceni. Nanao antso avo ny filohan’ny Ceni, ny amin’ny filazana, fa fotoan’ny fampihavanana sy fitoniana izao, ka tokony hojeren’ny Filohan’ny Repoblika manokana, ny heloka mifandray amin’ny fifidianana, toy ny tranga niseho tany Vangaindrano sy ny tany Antsiranana… Nangataka ny Filohan’ny Repoblika moa ny tenany, ny amin’ny hirosoana amin’ny famotsoran-keloka. Miombon-kevitra amin’ny fitakiana ireo zo fototra mahakasika ny jiro sy rano ary nanambara ny hisian’ny dinika an-databatra boribory sy ny fijerena ny vahaolana maharitra. Maniry hatrany ny filohan’ny Ceni, ny hisian’ny fiaraha-midinika sy fifanakalozan-kevitra ahitam-bahaolana maharitra.
Rado Harivelo



