PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA LOHOLONA : « Tsy misy mihitsy amboletra ataon’ny Fanjakana », hoy ny Minisitry ny Atitany.

Nitondra ny fanehoan-keviny, amin’ny maha minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana azy ny Minisitra Tianarivelo Razafimahefa, omaly, raha nanontaniana mahakasika ny firosoan’ny Fanjakana amin’ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra ho avy izao. Tsotra sady nahitsy ity tompon’andraikitra ity nilaza fa tsy misy mihitsy amboletra ataon’ny Fanjakana amin’ny firosoana amin’izany, ary koa, voahaja daholo ireo lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny firenena.

“Tsy tokony hifanakiana be fahatany na hifandrebireby isika. Ekena misy kaominina roapolo mahery mbola tsy nanana ben’ny tanàna, fa tsy sakana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana anefa izany”, hoy ny Minisitra Tianarivelo Razafimahefa, omaly tany Ankazobe. Notsiahiviny fa miisa 1695 ny fitambaran’ny kaominina rehetra eto Madagasikara. Ka raha jerena amin’ny ankapobeny izany, dia ampahany vitsy dia vitsy ihany ireo mbola tsy ahitana mpifidy vaventy ireo. Tsy feno mihitsy, noho izany, ny fepetra hanemorana io fifidianana io. Ary ny lalàna rahateo no manery ny amin’ny tsy maintsy hirosoana amin’izany. Ny Praiminisitra koa tamin’ny lahateniny, tamin’ny alahady teo, efa nanamafy fa tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana ny tsy mbola fisian’ny ben’ny tanàna amin’ny kaominina vitsivitsy eto amin’ny firenena.

Nihaona tamin’ireo ben’ny tanàna tao Ankazobe ny Minisitry ny Atitany, sy ny Governoran’Analamanga, omaly.

Tsy mbola misy ny Filankevi-paritra

Mahakasika izay lafiny mpifidy vaventy izay ihany, nilaza ny Minisitra fa tsy mbola misy izao ny Filankevi-paritra, izay tokony ho tafiditra ao anatin’ireo olom-boafidy manana zo handray anjara amin’ny fifidianana Loholona. Tsy mbola misy anefa izany hatreto satria tsy mbola nisy ny fifidianana teny anivon’ny Faritra. Efa niresaka momba izany ny mpahay lalàna, sady Loholon’i Madagasikara, Honoré Rakotomanana, vao tsy ela. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity, raha tsiahivina, fa antony maro no tsy nahafahan’ny Fanjakana niroso tamin’ny fifidianana izay ho solontenam-paritra sy ny faritany taorian’izany. Voalohany, ny mety ho fisondrotran’ny tetibolam-panjakana, izay nambaran’I Honoré Rakotomanana fa mety mbola azo nialana ihany. Fa koa, nisy ny valanaretina Covid-19 izay tsy nahafahana nanao na inona na inona. Io ilay antsoina hoe trangan-javatra tsy azo anoharana. Tsy misy amboletra na kajikajy politika avy amin’ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny mihitsy, noho izany, ny fanatanterahana io  fifidianana io, fa fanarahana ny lalàna misy eto amintsika.

Fahabangan’ny andrimpanjakana

Nohamafisin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, fa tany amin’ny taona 2015 no efa fantatra fa tsy maintsy hisy fifidianana Loholona amin’ity taona ity, satria tapitra amin’ny fiandohan’ny taona 2021 ny fe-potoam-piasan’ireo Loholona amperinasa ankehitriny. Mba tsy hisian’ny fahabangan’ny Andrimpanjakana, noho izany, na ilay antsoina koa hoe “Vide Institutionnel”, dia tsy maintsy hirosoana ny fifidianana. Ary indrindra koa, tsy afaka ny hiandry ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo amperinasa, fa tsy maintsy hatao mialoha ireo dingam-pifidianana rehetra. Fehiny, “mipetraka tsara araka ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny firenena daholo ny zavatra atao amin’ny fanatanterahana io fifidianana io”, hoy ny Minisitra.

Fermer