Songadim-baovaoSosialy
FIFIDIANANA PAPA VAOVAO FAHA-267: Hanomboka ny 07 Mey izao ny “Conclave”, Kardinaly 18 avy aty Afrika handray anjara
Hanomboka ny Alarobia 07 Mey 2025, izany hoe 15 andro taorian’ny nahafatesan’ny Papa Fransoà, ary 10 andro taorian’ny nandevenana azy no hanatanterahana ny “Conclave” na fivoriana manokana iarahan’ireo Kardinaly maneran-tany latsaky ny 80 taona, hifidianana ny Papa vaovao. Haharitra 15 ka hatramin’ny 20 andro ny “conclave”, ary miisa 135 ireo Kardinaly hiatrika io fotoan-dehibe eo amin’ny Fiangonana katolika io. Ho an’i Kaontinanta Afrikanina manokana, dia fantatra, fa miisa 18 ireo Kardinaly latsaky ny 80 taona hiatrika io fifidianana Papa faha-267 dimbin’i Md Piera io, ary i Côte d’Ivoire irery no manana Kardinaly roa hiatrika izany. Amin’ireo kardinaly Afrikanina ihany, dia fantatra, fa ny 01 notendren’ny Papa Joany Paoly II, 02 notinendrin’i Papa Benoit XVI, ary ny 15 tamin’i Papa Fransoà, ary anisan’izany ny Kardinaly malagasy, Mgr Tsarahazana Désiré, izay Kardinaly malagasy fahatelo hiatrika fifidianana Papa, taorian’i Mgr Victor Razafimahatratra, ny taona 1978, izay nifidy ny Papa Joany Paoly II, ary faharoa ny Kardinaly Mgr Armand Gaetan Razafindratandra, ny taona 2005 nifidianana ny Papa Benoit XVI. Ao amin’ny “La Chappelle Sixtine” no hanatanterahina ity fihibohana ataon’ny kardinaly hifidianana ny Papa ity, raha ny fantatra. Tsy hisy fampielezan-kevitra, ary tsy hisy fampiasana finday sy fijerena fahitalavitra, tsy hisy fifaneraserana amin’ny any ivelany mandritra izany. Ny kardinaly tsirairay kosa no hanao latsa-bato miafina, manolotra ny anaran’ny Kardinaly fidiany ho Papa vaovao. Hifidy in’efatra isan’andro izy ireo, ka ny roa maraina, roa tolakandro. Izay kardinaly mahazo ny roa am-pahatelon’ny vato (2/3) no voafidy ho Papa. Hisaina ny vato aorian’ny fiodinan’ny latsa-bato, ka raha mbola tsy misy mahazo ny 2/3 io dia hodorana ny taratasy ka setroka mainty no hita eo ivelan’ny trano, izay maneho fa tsy mbola voafidy ny Papa. Raha tonga kosa ny fahazoana 2/3 dia hodorana avy hatrany ny setroka fotsy, manambara fa nahazo Papa vaovao ny Eglizy katolika. Aorian’izany dia hifidy izay anarana entiny ny Papa, ary ampitafiana ny akanjo fotsy maha Papa, ary haseho eo amin’ny lavarangana ambon’ny Bazilikan’i Md Piera. Miarahaba ny Kristianina ny Papa vaovao, ary manome tso-drano Apôstôlika voalohany “Urbi et Orbi” izay midika “ho an’i Vatican sy ho an’izao tontolo izao”.
Nangonin’i Stan R.



