PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA: Tsy manana daty hafa ankoatra ny 16 Novambra ny Ceni
Fehezin’ireo didy amam-pitsipika mifandraika amin’ny fifidianana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), ka tsy maintsy izay voafaritry ny lalàna ihany no tanterahiny eo amin’ny asa ataony. Hatreto, datin’ny 16 Novambra izao no voafaritra fa hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, dia mifantoka amin’ny fanomanana izany ny asan’ny Ceni, araka ny angom-baovao.
Nanamafy omaly ny Filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Andoniaina Andriamalazaray, fa hatreto, ny didy aman-tsipika mikasika ny fifidianana dia mametraka mazava fa ny 16 novambra 2023 no anaovana ny fifidianana. Ary miompana amin’ny fanomanana izany ny fitsidiham-paritra tanterahin’ny Ceni ankehitriny. Zon’ny tsirairay kosa no maneho hevitra fangatahana fanemorana fifidianana, araka ny nambarany. “Tsy manana olana amin’izany ny Ceni”, hoy ny Filoha lefiny. Saingy, ny didy amam-pitsipika mifehy ny fifidianana no mifehy ihany koa ny asan’ny Ceni. Dikany, “Tsy manana eritreritra daty hafa ankoatra ny 16 novambra ny ceni”, hoy hatrany izy nanamafy.
Miroso hatrany, araka izany, ny Ceni amin’ny zotram-pifidianana. Ary ny antom-pisian’ny fitsidiham-paritra tanterahin’izy ireo ankehitriny dia ny mba hanomezana hery ireo rantsamangaika isam-paritra entina hanaporofoina fa tsy irery izy ireo amin’ny fahasarotana rehetra atrehiny, fa misy mpiara-miasa, sy mpiara-miombona antoka, araka ny fanazavan’ny Filoha lefitry ny Ceni hatrany. Eo koa ny hahafahana mahita sy mahatsapa ny fifanarahana na tsia ny fanapahan-kevitra izay raisina any ambony latabatra, raha mitaha amin’ny zava-misy eny an-kianja, raha ny nambarany. Raha toa ka tsy mifanaraka izany dia mitondra fanatsarana, izay no anton’ny fitsidihana, hoy izy.
Karatra 9 Tapitrisa mahery efa voazara
Araka ny fanambaran’ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo, omaly, dia efa mahatratra 9 Tapitrisa mahery no efa voazara ireo karatry ny mpifidy manerana ny Nosy. Izany hoe, ny 84%-n’ny olona miisa 11 tapitrisa mahery voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy no efa nahazo ny anjarany. Mba ananana antoka amin’ny hahazoana taham-pandraisana anjara ambony amin’ny fifidianana dia tokony hatao izay hahazoan’ireo mpifidy rehetra ny karatra maha mpifidy hatramin’ny 16 novambra. Izany indrindra no anton’ny fidinana ifotony sy fitsidiham-paritra ataon’ny eo anivon’ny Ceni foibe ankehitriny, ka tany amin’iny Faritra Atsinanana iny izy ireo ho an’ny omaly. Mila ezaka bebe kokoa avy amin’ireo rantsamangaika isam-paritra izany ny hahafahana mizara ireo 16% ambiny amin’ny karatry ny mpifidy tsy mbola voazara, araka ny toromariky ny Filohan’ny Ceni.



