Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FIFINDRA-MONINA ATSY MAYOTTE: Malagasy miisa dimy mpamerin-keloka natao am-ponja
Nahatrarana mpifindra monina an-tsokosoko indray tatsy amin’ny Nosy Mayotte. Miisa 30 izy ireo, ary ny 05 tamin’izy ireo no fantatra, fa efa nogadraina tany an-toerana. Izy ireo, izay fantatra, fa Kaomandàn-tsambokely haingam-pandeha sy ny mpanampiny avy, ary mpikarakara ilay sambokely, izay samy naiditra am-ponja atsy amin’ny Nosy Mayotte avokoa, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Ity kaomandà ity, izay fantatra fa efa mpamerin-keloka satria matetika tratra izy io amin’ny fitaterana olona mifindra monina an-tsokosoko mihazo ny Nosy Mayotte. Fantatra, fa nampodiana izy tamin’ny fahatrarana azy tany aloha, saingy mbola voasambotra foana indray taty aoriana, ary io nogadraina any an-toerana io. Tamin’izao farany izao, mitotaly 30 ireo malagasy tratra tao an-tsambokely tamin’ity fifindra-monina tsy ara-dalàna ity, izay voalaza fa olona avy ao Ambanja, Ambilobe, Nosy Be, Sambava, ary Antalaha. Ny alakamisy 31 oktobra teo izy ireo no niala tao Ambalamanga Nosy Be, tamina fitaovam-pitaterana sambokely haingam-pandeha, ary nihazo an’Antanibe Andrefa, ao anatin’ny distrikan’Ambanja. Tamin’izay izy ireo nilaza, fa fetim-pianakaviana no hovonjena any Antanibe, kanefa vao tonga tany dia nifindra sambokely hafa indray, ary nitodi-doha avy hatrany tany Mayotte, saingy efa tafiditra ny fari-dranomasin’i Mayotte mihitsy no voasakana. Ankoatra ireo olona miisa 05 voalaza fa nampidirina am-ponja ireo, dia nalefan’ny Fanjakana any an-toerana niverina tamina fiaramanidina ireo 25 ambiny. Vehivavy avokoa ny ankamaroan’ireo tratra nifindra monina farany ireto, izay mahatratra 24 isa, raha lehilahy iray no mameno azy ho 25. Ny sivy no nigadona voalohany tao amin’ny seranam-piaramanidina Fascene Nosy Be, ny alahady 03 novambra lasa teo, raha ny alatsinainy 04 novambra ny 16 ambiny. Nanokafana fanadihadiana avy hatrany izy ireo, ary natolotra ny fampanoavana omaly alarobia ny raharaha.
Nangonin’i Stan R.




