PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA AN-TAMPON’NY « COI » ETO MADAGASIKARA: Miantso ny fiaraha-mientan’ny tsirairay ny Filoha Rajoelina

Miroso ny fanomanana ny fitsidihana ara-panjakana hotanterahin’ny Filoha Emmanuel Macron sy ny andiany fahadimy amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Governemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina ny 24 Avrily 2025 izao eto Antananarivo, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly.

Tombony ho an’ny firenena malagasy ny handraisana ny Fihaonana an-tampon’ny “COI”, izay hahafahan’i Madagasikara  maneho ny fahavononany hanamafy ny fiarahamiasa amin’ireo firenena eto amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina. Mifanindran-dalana amin’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana rahateo ny lohahevitra nosafidiana dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho fampandrosoana ny tsenan’ny ranomasimbe indianina. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny komity mpikarakara ny fandraisana izay fihaonana an-tampony izay, ary miroso ny asan’ireo vaomiera isan-tsokajiny toy ny lafiny ara-teknika, ny arofenitra handraisana ireo delegasiona, ny lafiny fiarovana ireo vahiny manan-kaja, toy ireo Filoham-pirenena izay namaly ny fanasana hanatrika izany fotoan-dehibe izany. Niantso hatrany ny fiarahamientan’ny tsirairay ny Filohan’ny Repoblika mba tsy hitsanga-menatra isika handray izany fihaonana iraisampirenena.

Tagnamaro

Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanomanana ity fihaonana an-tampony ity ny hetsika Tagnamaro izay tanterahin’ireo Minisitera samihafa nanomboka ny herinandro lasa teo. Faritra maro teto an-drenivohitra no nanaovana asa fanadiovana manokana. Ny teo anivon’ny Kaominina Andoharanofotsy ihany koa dia nametraka rindran-damina manokana mba ho fanomezana endrika ny eny amin’ny manodidina ny Lapan’Iavoloha, ary niroso tamin’ny fanaovana hetsika fanadiovana faobe. Tsy hadino ao anatin’izany fanomanana izany ny eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, izay tarihin’ny Ben’ny tanàna Harilala Ramanantsoa, izay efa nihaona manokana tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mihitsy, ho fanomanana izany fotoan-dehibe izany. Ny teo anivon’ny Faritra Analamanga ihany koa dia efa nametraka fanamby ny hamita ny fanamboarana ireo lalana simba rehetra eto Antananarivo mandrapahatongan’ny fihaonana an-tampon’ny “COI”. Fehiny, efa miara-misalahy ny rehetra. Andrandraina ny fanandratana avo ny voninahi-pirenena ho an’ireo mpanao politika isan-tsokajiny eto amintsika mba tsy hanimbana endrika an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer