PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA AN-TAMPON’NY « COI »: Hihaona manokana ny Filoha malagasy sy ny Filoha frantsay

Ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo dia nankatoa ny fintin’ny firosoan’ireo ho sehapiaraha-miasa miaraka amin’ny firenena frantsay. Mifanindran-dalana amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI ny fanatanterahan’ny Filoham-pirenena Frantsay, Andriamatoa Emmanuel Macron, fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny 23 avrily 2025 izao. Hisy ny fihaonana manokana eo amin’ny Filoha roa tonta mandritra izany fitsidihana izany sy fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Mifototra indrindra amin’ny lafiny fotodrafitrasa, ny angovo, ny fambolena sy ny fanabeazana ireo seha-piarahamiasa ireo, araka ny tatitra hatrany.

Miroso ny fiomanana

Tsara ho fantatra fa efa miroso isika amin’ny fanomanana ny fandraisana ny andiany fahadimy amin’ny fihaonana antampon’ireo Filoham-pirenena sy Governemanta eo anivon’ny Komision’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ny 24 avrily 2025, araka ny fanamafisana nataon’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo. Efa am-perinasa tanteraka ireo vaomiera isan-tsokajiny amin’ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara izany fihaonana lehibe izany. Efa miroso ihany koa ireo asa fanajariana ireo fotodrafitrasa handraisana ireo delegasiona handray anjara amin’izany.

Natsangana ihany koa ny « Centre de Commandement Opérationnel Sommet COI 2025 » izay apetraka ao amin’ny kianja Barea ho fandrindrana ireo asa rehetra amin’ny fanomanana ity fihaonana an-tampony ity. Voninahitra lehibe ho an’ny firenena malagasy ny andraisana fihaonana iraisam-pirenena tahaka ity ka mila ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay hanatontosana izany antsakany sy andavany.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer