
PolitikaSongadim-baovao
FIHAONANA AN-TAMPON’NY “COI”: Mizotra an-tsakany sy andavany ny fanomanana ny fampiantranoana
Tapa-bolana mahery andro vitsy eo sisa dia higadona ilay andro tsy manam-paharoa handraisan’i Madagasikara ny Fivoriana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana na ny “COI”, izay horaisina sy hampiantranoan’i Madagasikara. efa anatin’ny fahavononana i Madagasikara…
Ankoatra ireo Filoham-pirenena atsy amin’ny Ranomasimbe indiana, toa an’i Maorisy, Kaomoro, Seiselà, ary Reunion izay hisoloan-tenan’i lafrantsa, dia maro ireo teknisiana sy mpandraharaha sy mpampahalala vaovao miaraka delegasiona amin’izy ireo, raha ny nohamafisin’ny Talen’ny Fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rasaony Pascal. Manamarika io fiomanana io araka izany, ny fanamboaran-dalana etsy sy eroa eto an-dRenivohitra, ny fikarakarana ny lafiny tekinika, toy ny foibe hiaingan’ny vaovao ofisialy manodidina io fihaonana an-tampony io etsy Mahamasina. Raha ny momba ny fotodrafitrasa dia nambaran’io tompon’andraikitra io, fa zavatra hitoetra izany ka na aorian’ny fivoriana aza, dia afaka hisitraka sy hampiasa izany ny mponin’Antananarivo sy izay rehetra mifamezivezy eto. Nomarihany, fa efa anatin’ny kolontsaina malagasy loatra ny fahaiza-mandray vahiny, satria hoy izy “zovy amintsika moa any an-tokantrano no tsy hiomana farafahakeliny raha handray vahiny amin’ny alalan’ny famafana ny trano na fandaminana izay mety hanelingelina ny mason’ny vahiny ?” Voninahitra omena ny hafa izany, kanefa voninahitry ny tena mpampiantrano ihany koa, mba tsy hampitsanga-menatra.
Miara-misalahy ny minisitera maro…
Manoloana io fanomanana iaraha-manana hikatsahana tombontsoa iombonana io, dia fantatra, fa departemanta minisiterialy maro no indray misalahy amin’izao fampiantranoana izao, fa tsy ny tanànan’Antananarivo Renivohitra eo ambany fiadidian-dRamatoa Ben’ny tanàna samirery akory. Tafiditra anatin’izany, ohatra ny Faritra Analamanga, Ministeran’ny Asa vaventy, ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, fa eo indrindra ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sy ny miandraikitra ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fananan-tany, satria tokoa dia resaka fahavitan-tena ara-tsakafo no lohahevitra hivoitra mandritra io fotoana io, izay iompanan’ny famokarana, iraisan’ireo Nosy dimy mpikamban’ny COI. I Madagasikara, ohatra, dia manana velaran-tany midadasika azo volena indrindra amin’izany.
Nambarany, fa tombontsoa azo andrandraina amin’ny fampiantranoantsika io fihaonana an-tampony io koa, ny fahafahantsika mivelatra sy mitrandraka izay azo trandrahina ara-toekarena sy ara-barotra ao anatin’ireo Firenena mpikambana. Hisy rahateo ireo mpandraharaha ho avy eto. Ankoatra izay, izay zava-dehibe mandritr’io fotoana io ny fahalalahan’ireo mpampahalala vaovao eto an-toerana sy avy any ivelany ireo, ka noentanina araka izany, ireto farany mba hametraka dieny izao ny fangatahana fahazoan-dalana handrakotra ny fikaroham-baovao manodidina io fihaonana an-tampony io. Afaka mandefa fangatahana ho an’olona telo isaky ny orinasa fampahalalam-baovao ireo mpanao gazety araka ny nambarany, satria izany no natao dia mba tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy mandritra ity fihaonana an-tampony ity. Nanentana ny vahaoka malagasy tsy an-kanavaka mba haneho ny maha iray ny Malagasy ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Serasera sy kolontsaina ity, ka hitandro hatrany ny voninahi-pirenena. Ny tsy fitovian-kevitra ara-politika azo tohizana ihany aorian’ny fihaonana, hoy izy, fa hatreto aloha ny rehetra no mila miaro miaraka ny voninahi-pirenena sy ny fiandrianam-pirenentsika.
Nangonin’i S.R




